Fivondronamben’ny Eveka

Voafidy ho Filoha indray ny Mgr Raharilamboniaina Fabien


  • Alarobia 13 Novambra 2024

Nifidy ny mpitantana ny Birao maharitra ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara omaly,

ka voafidy ho Filoha indray ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, evekan'i Morondava. Filoha lefitra kosa Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, evekan'Antsirabe ; Sekretera Jeneraly ny Mgr Rakotoarisoa Jean Claude, evekan'i Miarinarivo. Nisy ihany koa ny fanendrena vaovao koa teo amin'ny « Secrétariat administratif », raha ny vaovao voaray dia ny Mompera Faliarilala Thierry Pascal (adjoint teo aloha) no Secrétaire administratif, ary ny Mompera Rakotozafy Claude Rolland no Secrétaire administratif adjoint. Manana ny lanjany eo amin’ny lafiny finoana, fa manana anjara toerana goavana amin’ny raharaham-pirenena ihany koa ny Fivondronamben’ny Eveka, izay matetika tsy misorona milaza ny zavatra tsy mety. Mizara ny hafaliana sy ny tebitebin'ny olombelona, ka adidiny ny mampianatra sy mikolokolo ary maniraka. Manana ny fomba fiasany ny Vaomiera araka ny fampianarana sosialin'ny Eglizy : Mijery-mandanjalanja-mikatroka-mankalaza ary manampy izay rehetra mikatsaka ny fahamarinana.Vao ny volana oktobra lasa teo ohatra ny Vaomieran’ny Eveka momba ny fahamarinana sy ny fandriampahalemana na ny «Justice et Paix » no nilaza fa marary ny firenena, mikorosy fahana ny fiharian-karena, mitotongana ny fampianarana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT