Efa manodidina an’i Madagasikara ny areti-mifindra Coronavirus (Covid 19) ankehitriny, hoy ny fanambarana avy amin’ny biraon’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara (FEM) omaly. Miantso antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Papa François ho an’ireo firenena tratran’izany,
hoy ny fanambarana; ary i Jesoa Kristy Tompo nibaby ny rofintsika rehetra ka nandresy ny ratsy tamin’izy nitsangan-ko velona, anie hanome hery ireo marary sy ireo mpitsabo, ary ny fianakaviany. Ary ankinintsika amin’ilay Ray be famindrampo ny fanahin’ireo havantsika namoy ny ainy. Miantso ny rehetra ho tony ny FEM ary hanaraka ireo toromarika marina rehetra momba ny fihetsika, omen’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’ny alalan’ny haino aman-jery, eny fa na dia ny tsotra indrindra tokony harahina andavanandro aza hiarovana ny fihanak’ity aretina .Manasa any rehetra hifampilaza ny tokony hatao na any amin’ny toeram-pitsaboana na any am-piangonana na any am-pianarana na eny an-dàlana, ihany koa ny fivondronamben’ny Eveka no sady mankahery ireo dokotera sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanana ny herim-pon’ny aleoko maty mba handresena ny aretina fa tsy hanary na handositra ny marary. Aoka isika ho sahy hifanampy, hifampiaro, fa indrindra hiaro ireo efa manana aretina mitaiza na ireo mahantra tsy manana fiarovana, hoy hatrany ny fanambarana. Niantefana antso manokana ny Eveka, ny pretra, ny relijiozy sy ny mpikatroka rehetra amin’ny sehatra pastoraly katôlika tsy hatahotra fa hanaiky hanatona sy hikarakara amim-pitandremana ireo marary ary hiara-miasa amin’ireo hôpitaly rehetra hiara-hanohitra ny aretina. Manasa ny rehetra ny Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka mba hiombona ka hanao vavaka hasivianandro manomboka ny 19 martsa Fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Josefa mpiaro ny Fianakaviana Masina sy izao tontolo izao ka hifarana amin’ny faha-27 martsa. Tafiditra ao anatin’izany hasivianandro izany indrindra ny 24 ora ho an’ny Tompo hiombonam-bavaka amin’ny Eglizy manerantany (ny 20-21 martsa) sy ny Fankalazana manetriketrika ny Filazàn’ny Anjely ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. (25 martsa).
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.