Finoana

Fivondronamben’ny Eveka Miantso ny mpino hiombom-bavaka anio


  • Talata 28 Desambra 2021

Nanao antso ho an'ny mpino katolika tsy ankanavaka manerana an’i Madagasikara ny Fivondronamben’ny Eveka Katolika.

 “Rentsika mianakavy ary natrehintsoka maso tamin'ireo haino aman-jery isan-karazany ny loza an-dranomasina tany antsinan ana, loza tany andrefana tany amin’ny diosezin'i Tsiroanomandidy, loza tany atsimo (kere), loza manerana ny Nosy noho ny Covid-19 sy ny tsy fandriampahalemana,... Ka hanehoantsika fa mIara-mijaly amintsika I Jesoa ary hanova ny fahoriana ho famonjena ary hanohizantsika hatrany ny maha-Eglizy mara-dia, na faly isika na ory dia hanokana ny 28 desambra 2021, fetin’ireo zaza tsy manan-tsiny ny fivondronam-ben'ny Eveka Katolika eto Madagasikara, hivavahana manokana ho an'ireo havana Malagasy matin’ny loza an-dranomasina tany antsianana sy ireo olona maty nandritra ny alin'ny noely tany amin ny diosezin'1 Tsiroanomandidy ary ireo havana rehetra lavon'ny valan'aretina Covid 19 nandritra ity taona 2021 ity”, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka. Noho izany, manentana ny rehtra na aiza na aiza manerana ny nosy hampiditra ao anaty vavaka ireo antsoina hoe: "intentions" voalaza eo ambony ireo ny Fivondronamben’ny Eveka. Notsindriana fa ny vavaky ny maro mahaloaka ny lanitra, araka ny fahendren-drazantsika ka “hiombona fo sy fanahy isika hivavaka ho azy ireo hanehoantsika ny maha-iray ao amin'ny Tompo sy ny maha-malagasy iray antsika”, hoy ny fanambarana. Ireo Pretra sy Eveka manerana an'i Madagasi kara dia hanolotra ny Sorona masina ho amin'izany, izay afaka manao ny fitsaohana ny Sakramenta Masina (adoration) koa dia manao Izany mahatsiaro ireo havana rehetra ireo, izay afaka manao ny sapile koa dia torak’izany, araka ny toromarika… “Mitsodrano anareo izahay Evekan'i Madagasikara sady mirary anareo hamarana ny taona anaty fahasalamana sy handray ny taona 2022 anaty hafaliana”, hoy ny firariantsoa nataon’ny Fivondronamben’ny Eveka tamin’ny alalan’ny taratasy mitondra ny datin’ny 26 jona nosoniavin’ny Filohany Mgr Fabien Raharilamboniaina.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT