Finoana

Fivondronamben’ny Eveka Katolika Miantso ny fampanjakana ny fahamarinana


  • Talata 18 Desambra 2018

Namoaka hafatra lehibe ny Birao maharitry ny Fivondronamben’ny Eveka eo anivon’ny Eglizy Katolika eto Madagasikara manoloana ny raharaham-pirenena omaly.

 

  Amin’izao fotoana ankatoky ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoha izao, izay hiankinan’ny ny ho avy sy ny fiainan’ny firenena amin’ny 5 taona manaraka, dia noraisin’izy ireo ho adidy ny manao antso avo ho fanamafisana ny hafatra efa natao ny 22 novambra 2018. Misaotra ny vahoaka izay nandray anjara tamin’ny fifidianana voalohany iny, indrindra ny fahaizana naneho fahendrena sy fahamatorana tamin’ny fandraisana tanaty filaminana ny voka-pifidianana. Nanentana ny olom-pirenena mbola hanao ny adidy masina ho an’ny firenena ny Fivondronamben’ny Eveka mba handraisana anjara mavitrika, ka haneho safidy malalaka araka ny feon’ny fieritreretana. Miantso ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny nomena fahefana hikarakaraka ny fifidianana any amin’ny ambaratonga rehetra mba hampanjaka ny fahamarinana sy ny mangarahara amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana hisehoan’ny tena safidim-bahoaka. Izany rahateo no antoka lehibe hanafoanana ny ahiahy tsy hihavanana sy haha-mari-pototra ny fifidianana ka hitondra filaminana aorian’ny vokatra ofisialy. Miantso ny mpifaninana sy ny mpomba azy mba hampanjaka ny fihavanana ary ho tony sy hilamina, ka hiandry am-pitoniana ary hahay handray am-panetren-tena ny tena safidin’ny vahoaka. Na iza na iza ho voafidy dia ho filohan’ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka ka aoka hijoro ho mpampihavana sy mpampiombona hahay hiara-miasa amin’ny herivelona rehetra sy izay tsara sitrapo te hampandroso ny firenena, hoy ny Fivondronamben’ny Eveka. Samy nilokaloka ny hampandroso ny firenena, ka aoka izay ho voafidy eo mba hitana ny teny nomena. Mitaona ny rehetra hiray fo sy hiombom-bavaka,… ary mirary ny rehetra hankalaza am-pifaliana ny fetin’ny noely sy ho tratry ny taona vaovao ny fivondronam-ben’ny Eveka Katolika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT