Finoana

Fivondronamben'ny Eveka Nitondra fisaorana mitafotafo ho an`ny rehetra


  • Alarobia 11 Septambra 2019

“Namafy fiadanana sy fanantenana teto amintsika ny Papa Ray Masina tamin'ny alalan'ny famangiany, ny hafatra nomeny, tamin'ny Eokaristia notarihiny teo anatrehan'ny vahoaka iray tapitrisa avy amin'ny Diosezy 22 sy avy amin'ny lafivalon'ny Nosy,

 

 vory lanona tao Soamandrakizay”, hoy ny fivondronamben`ny eveka. Naneho fisaorana mitafotafo sy ny fankasitrahana an`ny  rehetra izay nanampy mba hahatonga lafatra ny fandraisana ny Papa Fransoa izy ireo. Nosinganiny ny fiadidian`ny Repoblika, ny “Nonce-Apostolique”, ny governemanta Malagasy, ny mpitandro filaminana isan-tsokajiny, ny tompon’andraikitra rehetra tao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny fiadidian`ny tanànan’Ivato sy Antananarivo Renivohitra, ny diosezin'Antananarivo, ireo olona tsara sitrapo rehetra nanampy tamin'ny soso-kevitra, ireo mpanakanto, ny orinasa Karenjy nanao ny Papamobile, ireo mpanao gazety sy ireo tompon'ny fitaovan-tserasera, ireo mpiasa tsy ankanavaka nandray anjara tamin'ny fanorenana fotodrafitrasa, tamin'ny fambolena ahitra sy ny fandravahana ny toerana. Isaorana ireo mpino rehetra na katolika na tsy katolika naneho fiombonana tamin’ireny fotoana ireny. Farany, nisaotra ny vahoaka malagasy rehetra tsy ankanavaka naneho ny fahendrena malagasy dia ny fihavanana, ny fahaiza-mandray vahiny, indrindra ny fiombonam-po tamin'ny fitsidihan'ny Papa Ray Masina. Enga anie hipaka any amintsika tsirairay sy any amin'ny isam-pianakaviana ny fiadanana sy fanantenana nafafin'ny Papa Fransoa, hoy ny fivondronamben`ny eveka. Naneho mivantana ny hafaliany sy ny fahafaham-pony ny Papa Fransoa na dia fotoana fohy aza no nihaonany tamintsika ary gaga izy nahita ny hafanam-pontsika sy ny firaisankinantsika ary ny fahaizantsika mandray vahiny, hoy hatrany ny fanambarana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT