Finoana

Fivondronamben'ny Eveka Namaky bantsilana ny kolikoly sy lainga hatrany an-tampony


  • Alatsinainy 02 Mey 2016

Teny tsy misorona no nataon’ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara araka ny voarakitra amin’ny hafatra navoakan’izy ireo taorian’ny fivoriana ara-potoana voalohany nataony amin’ity taona ity teny amin’ny Episcopat Antanimena, nifarana ny sabotsy lasa teo

 

. Novakian’ireo Eveka bantsilana ny kolontsain’ny kolikoly manjaka amin’izao fotoana, sy lainga miharo halatra ary indrindra fa nakalo vola hatramin’ny fiandrianam-pirenena. Vokany dia fahantrana, halatra, herisetra sy vono olona no mandrafitra ny andavanadrom-piainan’ny Malagasy. Fongotra ny harem-pirenena vokatry ny fanondranana tsy ara-dalàna ny andramena, ny vatosoa sy ny volamena, nefa hatramin’izao dia manjavozavo ny fitantanana ny harena ankibon’ny tany, hoy hatrany ireo Eveka. Ireto farany izay mahatsiaro ho tohina mahita ny zo aman-kasina hosena sy amidy vola, eny fa na ny tany nolovaina tamin’ny razana aza amidy. Ny vola no mibaiko ny taranja anabeazana ny zaza Malagasy, hoy hatrany ireo Eveka, fa tsy arindra araka ny filan’ny firenena. Manjaka ny kolontsain’ny valifaty sy fanjakan’ny be sandry eny anivon’ny fiarahamonina, hoy hatrany ny Fivondronamben'ny Eveka satria tsy mihaino fitarainana intsony ny Fitsarana, ka mamboly toe-tsaina hirona any amin’ny fitsaram-bahoaka sy fanjakan’i Baroa. Mahita ihany koa izy ireo fa toa lasa fametsifetsena sy fandrendrehana ny marivo salosana ny finoana ankehitriny, vokatr’io fanompoana tafahoatra ny vola hatrany an-tampony sy ny kolontsaina ny kolikoly tafahoatra loatra hatrany ambony io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT