Fivondronamben’ny Eveka

> Namaky bantsilana ny fividianana safidim-bahoaka


  • Alatsinainy 18 Novambra 2013

Ambohipihaonan’ny mpino katolika tetsy amin’ny kianjan’ny Masindahy Misely Amparibe omaly alahady 17 novambra, namaranana ny fankalazana ny taonan’ny finoana izay mifanojo indrindra tamin’ny faha-75 taona nandikana amin’ny fiteny malagasy ny Baiboly katolika.

Vory atrika avokoa ireo Eveka avy amin’ny Diosezy miisa 20 manerana ny Nosy, izay vao avy niatrika ny fivoriamben’ny Eveka nandritra ny tapabolana. Novakiana nandritra ny fotoam-pamaranana omaly ny hafatra avy amin’ny Fivondronamben’ny Eveka, izay mamotsipotsitra ny fahalovana sy ny tsy rariny ary koa ny tsy fahamarinana miseho lany eto amin’ny firenena indrindra tao anatin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao. Mahazo laka ny fifanaratsiana sy fanavakavahana, miseho lany ny fanjakan’ny Baroa sy besandry. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, tsy voaaro ny vahoaka. Novakian’ireo Eveka bantsilana toy izany ny fividianana safidim-bahoaka. Misy ihany ny vola, ka nahoana no tsy nanasoavana vahoaka ? Nanao basy atifi-kavana koa ireo Eveka, tao anatin’ny fanambarany milaza fa “maro no midongy seza, misakana ny fifandimbiasam-pahefana”. Ny sasany indray, hoy izy ireo, dia ny fivavahana no ataony tohatra hahazoana fitondrana. Fa nahazo ny anjarany koa ny sehatra iraisam-pirenena, izay tondroin’ireo Eveka katolika ho manararao-pahefana, manararaotra ny fahaleman’ny Malagasy. Nitodika manokana tany amin’ireo kandida depiote sy filoham-pirenena ihany koa ireo Eveka, nampitana hafatra mba tsy hivarotra tanindrazana, hanaja ny fihavanana izay soatoavina iombonana, hitsinjara ara-drariny ny harena. Maika, hoy ny hafatra, ny fanadiovana ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana, hiverenan’ny fifampitokisan’ny mpitondra sy ny Vahoaka. Ho an’ny vahoaka indray dia nampahatsiahy ny maha zava-dehibe ny hasin’ny aina ny fivondronamben’ny Eveka, hisorohana ny fitsaram-bahoaka. Ny Evekan’i Farafangana no namaky ny hafatra. Samy tonga tamin’ity fotoam-bavaka lehibe ity ny kandida filoham-pirenena isany Robinson Jean Louis sy Hery Rajaonarimampianina. Tazana tao koa Raharimanana Patrick. Nandefa fialantsiny an-taratasy mialoha ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Tsy tonga ny Praiminisitra Beriziky, na fantatra aza fa mpino katolika.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • LĂ©on XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT