Manodidina ny 5.000 ny mpitandro filaminana niparitaka teny Soamandrakizay ny sabotsy sy ny alahady lasa teo mba hanara-maso sy handamina ny hetsika rehetra manodidina ny fivahinianan’ny Papa Ray Masina.
Mifanahantsahana amin’izay ihany ireo naparitaka tamina faritra maro teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny toe-draharaha ary iny angamba no anisan’ny hetsika nitranga teto Madagasikara tsara ambina indrindra. Tsy maintsy misy foana ny indro kely na ny zavatra maningana saingy resy lahatra ny rehetra fa hentitra ny fitandroana ny filaminana nanerana an’Antananarivo nandritra ny fivahinianan’ny Papa Fransoa ary nilamina ny hetsika rehetra. Tsy tongatonga ho azy izany fa efa nisy ny fiomanana sy fanazarantena ary fizaran’asa natao ary mazava tsara ny toromarika sy ny baiko sady mahalala ny andraikiny ny tsirairay. Hetahetan’ny olom-pirenena ny hitohizan’ny ezaka mendri-piderana nataon’ny mpitandro filaminana isan’andro mba hampandry fahalemana tokoa ny valalabemandry fa tsy sanatria rehefa lasa i Papa dia miverina amin’ny fikorontanana sy herisetra mahazatra ihany ny eto an-toerana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.