Fitsofan-drano ny mitovy fananahana

Adihevitra be, nitondra fanazavana ny katolika


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Vaovao ara-pinoana niteraka adihevitra saika maneran-tany ka anisany ny eto Madagasikara

ny nankatoavin'ny Papa Ray Masina tamin'ny fomba ofisialy ny fitsofan-drano ireo mitovy fananahana. Afaka omen'ny pretra Tsodrano ireo mpivady mitovy fananahana izany hoe : lahy samy lahy na vavy samy vavy, raha ny voarakitry ny taratasy ofisialy ny alatsinainy 18 desambra 2023, nosoniavin’ny préfet vaovaon’ny "Dicastère pour la doctrine de la foi" momban'ny fampianaram-pinoana, dia ny Mgr Victor Manuel Fernandez, ao amin'ny fanambarana mitondra ny lohateny hoe "Fiducia supplicans". Afaka ny hitsodrano ireo mpifankatia mitovy fananahana ireo pretra katolika maneran-tany, saingy voalaza fa mijanona amin'izay hoe "Tso-drano" izay ny Eglisy, ary tsy miditra am-piangonana ny fanaovana azy, tsy hisy sakramentan'ny fanambadiana velively na lamesa na mivavaka toy ny amin'ny litorjian'ny fanamasinana fanambadiana ho an'ny mitovy fananahana. Mandritra ny fitsodran-drano tsotra kosa, ny pretra tsirairay no mahalala sy mamaritra ny fomba fanatanterahana mifanaraka amin'izao fanapahan'ny Papa François izao. Ho an’ny katolika finoana katolika dia ny Papa Ray masina sy ny fiketrahana masina no rafitra ambony indrindra amin’ny fanapahana mikasika ny fanovana na fanaovazana eo amin’ny fombafomba na ny foto-pinoana sy ny fampianarana na koa ireo sakrametan’ny fiangonana voafaritra anatin’ilay hoe : « doctrine religieuse ». Samy nanana ny nandraisany azy, eny fa na ho an’ny samy mpino katolika aza. Tao ny mitsivalana sy maneho fa tsy resy lahatra sy tsy mankasitraka avy hatrany na hiovany finoana hafa aza. Tao ny tsy mankasitraka saingy milaza fa tsy manova ny foto-pinoany io. Tao ihany koa ny naneho fa mila dinihina tsara sao lasa mivaona ny fandraisana azy ary aleo miandry ny fanazavan’ny Fivondronamben’ny Eveka na ny antanan-tohatry ny fiangonana,… Maro ihany no nanokatra adihevitra hoe : tsy tsio-drvotra sy làlana mizotra makany amin’ny fanalalahana sy fankatoavana ofisialy ny fanambadian’ny mitovy fananahana ve izao?
«TSY MANOVA NY FOTO-PAMPIANARANA, TSY MANAKATON-TRANO NA AMIN’IZA NA AMIN’IZA »
Nisy ny fanazavana nentin’ny Sektetera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny Eveka Mompera RAFANOMEZANTSOA Séraphin, nilaza fa : « Tsy manakaton-trano sy tsy natao hanilika na iza na iza ny eglizy fa natao handray ny olona rehetra ary samy miezaka isika ho tonga any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra na « homosexuel » na tsia… Raha tsorina dia tsy misy fitsofan-drano no fiarahan’ny olona mitovy fananahana, ary tsy ilay resaka fitsofan-drano no tsindriany manokana fa ilay olona manana fahasarotana amin’izany ka mila ny fiangonana, mila famindram-po… », hoy ny fazanazavany. Naneho fa tsy azo afangaro amin’ity resaka ity ny mariazy ity. Tsy resaka fitambarana na « union » eo amin’ny mitovy fananahana no hanaovana fitsofan-drano fa ilay olona hoy hatrany ny tenany, raha nanazava ilay tenin'ny Pape François. Isika rehetra na inona misy antsika dia zanak’andriamanitra isika, ka noho izay antony izay no tokony tsy hanilihana ireo olona nisafidy izany lalàna izany, hoy hatrany ny tenany. Noho izany, naneho io tompon’andraikitra eo anivon’ny Fivondronamben’ny Eveka io fa ho an'ny mpino katolika, dia tsy hisy na oviana na oviana mihitsy eo amin'ny eglizy katolika ny fanekena fitambaran'ny olona mitovy fananahana.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT