Fitsinjovana Alatsinainy Bakaro

Nisy nandoro ny FJKM Ambondrona Salema vaovao


  • Alatsinainy 11 Martsa 2024

Zava-doza no nitranga tao amin'ny kaominina Fitsinjovana any Alatsinainy Bakaro,

distrikan'Andramasina, ny zoma 8 martsa 2024, tokony ho tamin'ny 7 ora hariva, raha ny fampitam-baovao voaray. Nisy nandoro ny Fiangonana FJKM Ambondrona Salema vaovao. Tsy nisy disadisa, tsy nisy ady nefa dia sotasota fotsiny izao, hoy ny fanazavana. Soa fa nisy nahita ny firehetana ka avotra avokoa ireo entana tao am-piangonana rehefa nifamonjen'ny fokonolona tao an-tanàna. Tafo bozaka ilay fiangonana ka mora ny fiitaran'ny afo, hoy ireo mponina. Efa nampandrenesina ny mpitandro filaminana ka efa misokatra ny fanadihadiana ankehitriny, raha ny fampitam-baovao hatrany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT