Finoana

Fitoriana ny filazantsara Nodimandry ny Pasitera Tantely Ratsimba


  • Talata 28 Desambra 2021

Nodimandry omaly hariva, tokony ho tamin’ny 8 ora ny tomponandraikitra voalohan’ny misiona “Miomana hihaona amin’Andriamanitrao”, ny mpitandrina Tantely Ratsimba, fantatry ny maro amin’ny hoe “Pasteur Tantely Ratsimba”.

 Isan’ny nahaliana sy nahavariana ireo Kristianina nahita ny fampianarany ny tsy filazany hatrany fa ny hafatra maika indrindra rehefa hitory ny filazantsara dia ny fampahatsiahivana ny fiverenan’I Jesoa Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra handray ireo nankato ny fampianarany ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Tsy ny resaka vola sy ara-materialy, hoy ny famerimberiny, no mahamaika fa ny famonjena ny fanahin’ny fiangonana mba handraisany an’I Jesoa Kristy ho Tompo sy mpamonjy ny fiainany ary anton’ny tsy fisian’ny fitakiana rakitra na vola mandritr’ireo fotoam-bavaka tarihiny izany. Nanatontosa hetsika fitoriana tao amin'ny PK00 Soarano no nahitana azy farany ny 12 desambra teo nialohan’ny nandazoin’ny areti-mandripaka COVID 19 azy, raha ny vaovao voaray hatrany. Mirary fiononana feno ho an’ireo vady aman-janany sy ireo akaiky azy rehetra ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT