Finoana

Fitoriana filazantsara goavana tany Behenjy Tanteraky ny FCI ny “Evangelisation socio-culturelle”


  • Talata 16 Septambra 2014

Tanteraka tamin’ny sabotsy teo, tany Behenjy RN 7, ny fanambin’ny fiangonana FCI (Foyer Chretien International) etsy Mandroseza notarihan’ny Evanjelistra Lalaina Johannčs Andriamisolo dia ny hitory ny filazantsara miaraka amin’ny fitazomana ny kolontsaina maha Malagasy sy ny fiahiana ara-tsosialy na ny “Evangelisation socio-culturelle”.

Notsenaina tamin’ny mozikan’ny mpanao vakodrazana avy etsy Fenoarivo ireo mpitory ny filazantsara ka velona ny hira dihy ara-pilazantsara namakivaky ny tanàna mandra-pahatonga teny anoloan’ny Lapan’ny tanànan’i Behenjy nanatanterahana ny “croisade” lehibe. Fitsofan-drano sy fanolorana fitaovana, amponga maroanaka hoentina mitory ny filazantsara no nataon’ny Evanjelistra Lalaina Andriamisolo tao amin’ny FCE Behenjy. Nisy fiaraha-misakafo niarahany tamin’ireo oloben’ny tanàna sy ireo Raiamandreny am-panahy  tsy an-kanavaka ao Behenjy. Tao anatin’izany no nanolorany, ho an’ny Epp Behenjy Centre sy Epp Soaloka fitaovam-pianarana ho an’ireo kilonga mpianatra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao. Taorian’ny fiarahan’ny rehetra nifampizara ny nofon-kena mitam-pihavanana kosa dia niroso tamin’ny vavaka sy fanasitrahana ny hetsika. Nifanandrify amin’ny fankalazana ny faha-25 taona nitorian’ity pasitera ity ny filazantsara moa ity hetsika tany Behenjy ity fa 25 taona lasa izy no nanomboka nitory ny filazantsara ato amin’ity toerana ity ary 25 taona aty aoriana, ny 13 septambra 2014, dia niverina nitory tao indray saingy nitondra tso-drano lehibe ho an’ny tolotra faharoa ho an’ny fanatsaram-piainana ho an’ny rehetra tonga tao ary nitondra fahagagana sy fanasitranana ho an’ireo marary ihany koa fa nisy zaza 12 taona tsy mbola niteny hatramin’ny nahaterahany nanomboka nibadabada ny anaran’i Neny, nisy zatovovavy narenina nanjary naheno ny fitoriana natao ary nisy renim-pianakaviana tsy nahita loatra niverina tamin’ny fahitana ny mazava. Azonao atao ny tsy mino, hoy ny Evanjelistra Lalaina, fa tsy azonao atao kosa ny tsy mahita ny zava-miseho. Marihina fa hapariaka manerana ny Nosy ny fitoriana ny Filazantsara ho an’ny FCI (Foyer Chretien International) manomboka izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT