Finoana

Fitondrana tsara tantana Tsy mahaloa hofan-tranon’ny FJKM ny Fanjakana


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Tsy nety mihitsy ny fiarahan’ny FJKM sy ny fanjakana tetezamita. Notakian’ny tetezamita hetra IBS na «Impôts sur les Bénéfices des Sociétés» ny FJKM na dia tsy orinasa aza.

 

Minisitry ny vola sy ny tetibola tamin’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina, izay lasa filoham-pirenena ankehitriny. Nisy koa andiana miaramila, tamin’izany, nanery ny tompon’andraikitra ara-bola hampiseho ny kaontin’ny FJKM, in-droa miantoana. Nivoatra tsikelikely anefa ny raharaha ka nifanatona ihany ny roa tonta ankehitriny. Niverina nisokatra hatramin’ny onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, dia ny Radio Fahazavana. Ankoatra izay, efa ho herintaona izao tsy mahaloa hofan-trano ny fanjakana raha nanofa ny tranon’ny FJKM ao Amparibe sy ao Faravohitra tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola izay samy birao iasana. Miteraka fikorontanana amin’ny fitantanam-bolan’ny foibe FJKM izany ankehitriny. Ho sahy handroaka ireto mpanofa trano tsy mahaloa hofan-trano ireto ve ny FJKM ? Hanao ahoana ny ho tohin’izany eo amin’ny fifandraisan’ny roa tonta raha sanatria ka izay no tanteraka ?

Ra-Bri

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT