Finoana

Fitondram-panjakana Manambitamby mafy ny Katolika


  • Alatsinainy 07 Novambra 2016

Nofaranana tamin’ny alalan’ny fiombonam-bavaka teny amin’ny Esca Antanimena omaly alahady 6 novambra ny fankalazana ny taon-jaobily ho an’ny fivondronamben’ny Eveka sy ny mpino katolika.

 

 Tonga niatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier sy ny minisitry ny fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Béni Xavier Rasolonirina. Tamin’ny lahateny nataon’ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, ny Arseveka Jean de Dieu Tsarahazana dia nisaorany ny fahatongavan’ny fitondram-panjakana notarihin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta ary nilazany hoe “tsy adinonay ny mivavaka ho anareo mba ahafahanareo manatanteraka ny fanirian’i Kristy ho an’ny vahoakan’Andriamanitra tsy ankanavaka, araka ny hiram-pirenentsika manao hoe mba hiadana sy ho finaritra ka ho sambatra tokoa anie isika”. Nanambara kosa ny Lehiben’ny Governemanta tamin’ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety fa “mazava ny lalàmpanorenantsika fa fanjakana laika isika nefa ilaina ny fiaraha-miasan’ny rehetra, indrindra fa ny fiaraha-miasan’ny fanjakana amin’ny mpitondra fivavahana”. Nanamafy hatrany ny praiminisitra fa mitohy ny fiaraha-miasa miaraka eo amin’ny fiangonana sy ny fanjakana, ao anatin’izany ny eglizy katolika romanina. Anisan’ny tsy mitsitsy fitenenana amin’ny tokony hanitsian’ny mpitondra ny diany manoloana ny tsy mety eto amin’ny firenena ny fivondronamben’ny Eveka saingy toa ninian’ny mpitondra nomena lamosina hatramin’izay. Toa manambitamby indray anefa ny fitondrana raha dinihina amin’ny fihetsiky ny praiminisitra. Arofanina amin’ny fitantanana ny firenena ny raiamandreny am-panahy sy ny fiangonana ka tsy tokony hotsinontsinoavina ny fanehoan-keviny.

 


 

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT