Finoana

Fito alahadin’ny fiangonana SHINE Hifarana amin’ny alahady ho avy izao


  • Zoma 02 Novambra 2018

Hofaranana amin’ny alahady 4 novambra ho avy izao ilay fotoam-bavaka fito alahady, karakarain’ny fiangonana Shine manerana ny Nosy.

Ho an’ny fiangonana Eglise Evangelique Shine Ampasampito dia hiavaka tsy toy ny mahazatra io fotoana io, hoy ny  pastora Andriantsifaritana Tsiorisoa tamin’ny mpanao gazety omaly.  Fotoana hitondran’izy ireo am-bavaka ireo olona  manana olana ara-pahasalamana mantsy io koa hanasany ny rehetra. Arahina antsa an-kira fiderana goavana izany iarahan’ny fiangonana amin’ireo mpino rehetra tonga eny an-toerana. Nomarihin’ity mpitandrina io moa  fa aretina maro no efa  sitrana nandritra izay fito alahady izay ary mbola ho maro ihany koa no hositranina amin’io. Hisy fidirana in-droa amin’io. Manomboka amin’ny 7 ora maraina ny fotoana voalohany raha amin’ny 10 ora maraina ny fotoana faharoa. Vavaka fanasitranana no hatao amin’ireo fotoana roa ireo raha amin’ny hariva kosa no hanatontosana ny antsan-kira fiderana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT