Finoana

Fitantanana ny Fjkm Mpitandrina 3 mifaninana ho filoha ?


  • Alakamisy 18 Aogositra 2016

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly maraina ao amin’ny FJKM Kamafa Vatofotsy Antsirabe ny Synoda lehibe an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) faha-18.

“Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika na ahy mpifatony ianao, fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny tenin’Andriamanitra”. Io andalan-tsoratra masina nalaina tao amin’ny bokin’i Timoty io (II Tim 1:8) no nisintonan’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina, filohan’ny Fjkm ny toriteniny omaly. Nanatrika io fanokafana omaly io moa ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy Ramatoa vadiny. Tazana tany an-toerana ihany koa Atoa Marc Ravalomanana sy ramatoa vadiny. Nanamafy io omaly io ny filoham-pirenena fa tsy kandida ho filoha lefitry ny Fjkm izany ny tenany, andrasan’ny maro kosa izay ho vokatry ny fifidianana ireo izay hitarika ny Fjkm. Somary tsiambaratelo ihany moa ny raharaham-piangonana tahaka itony, tsy afaka manatrika ny fivoriana rahateo ny olon-kafa ankoatr’ireo solontena manana taratasy mazava. Na izany aza re tsiliantsofina ihany fa tsy latsaky ny 3 ireo mpitandrina mety ho kandida filohan’ny Fjkm ka ny roa tamin’ireo dia efa kandida ihany nandritra ny Synoda tany Manakara tamin’ny 2012. Ho hita eo ihany ny ho tohin’ity Synoda lehiben’ny Fjkm any Antsirabe ity.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT