FITAKIAM-BOLA ATAON’NY MPITANDRINA

« Tsy tokony ho tonga amin’ny fanararaotana »


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

fangatahim-bola nataona mpitandrina iray tamin’ireo mpino ao aminy mikasika ny fanomanana ny mariazin-janany. Tsy hoe lalana tsy maintsy hatao na adidy tsy maintsy hatao ny tahaka ireny hoy Pastera Heritiana Randriarimalala fa fangatahana no vontoatiny. Ny mpitandrina na Pastera hoy izy dia Raiamandreny ara-panahy ao amin’ny fiangonana. Ny mahasamihafa azy amin’ny mpiasam-panjakana dia tsy mpiasa izy fa Raiamandreny ara-panahy. Ny fitondrantenany no hitsarana azy amin’ny maha-Raiamandreny azy fa tsy ny asa vitany. Raha manana olana araka izany ny Raiamandreny dia afaka miresaka tsara amin’ny zanany saingy tsy tokony ho tonga amin’ny fanararaotana kosa. Betsaka mantsy hoy izy amin’izao ireo lasa manao bizina mitady vola amin’ny mpino amin’ireo karazan-javatra maro samihafa. Na izany aza anefa dia notsindrian’ny Pastera Heritiana tsara fa tokony hatao amim-pahendrena izany. Ho an’ireo mpino manam-pahatakarana hoy izy dia tsy hametraka olana fa ho an’ireo tsy manam-pahatakarana kosa tsy maintsy mandeha hatrany ny ady hevitra maro samihafa. Mikasika ny mariazy manokana dia nahitsy izy niteny fa tsy ny akanjo tsarabe na ny sakafo mafilotrabe no tena zava-dehibe fa ilay toriteny sy fametrahan-tanana ary fitsofan-drano azy roa kely nifanaiky teo anatrehan’Andriamanitra.
Pati
Legende : Pastera Heritiana Randriarimalala mametraka hatrany fa tokony hatao laharam-pahamehana ny fahendrena ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT