Finoana

Fisokafan’ny Radio Fahazavana Hoentina am-bavaka ny alahady izao


  • Zoma 23 Oktobra 2015

fa mandeha sy azon’ny mpihaino renesina ao amin’ny maridrefy 88.6 Mhz nanomboka ny volana aprily 2015 teo ny Radio Fahazavana rehefa tankina nandritra ny 5 taona.

 

E Efa miverina tsikelikely ihany koa ireo fandaharana vokarin’ny onjampeon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara izay manodidina ny 30% ankehitriny, araka ny fanazavana nandritra ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety omaly teny amin’ny foiben’ny FJKM Analakely. Na dia eo aza ireo olana ara-pitaovana sy ny fahatapahan’ny herinaratra matetika dia mihodina 24 ora amin’ny 24 sy 7 andro tsy ankiato ity onjampeo mifototra amin’ny fanabeazana krisitianina ity. Tsimialonjafy ny onjampeon’ny Fjkm ary misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra, hoy hatrany ireo tompon’andraikitra mpitantana ny onjampeo. Hisy moa ny fitrotroana am-bavaka fangataham-pitahiana ireo asa hosahanin’ny Radio Fahazavana hanasana ny kristianina rehetra ny alahady 25 oktobra 2015 izao ao amin’ny Fjkm Katedraly Analakely manomboka amin’ny 3 ora folakandro.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT