Finoana

Fisamborana tany Ihosy Tafaporitsaka i Tatandraza


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Nahazo loharanom-baovao momba ny toerana misy an’i Marc Tatandraza ny zandarimariam-pirenena, ka voalaza fa tao Ihosy no nisy azy sy ireo antokon’olona miaraka aminy. Raha ny fakam-baovao omaly tolakandro dia raikitra ny fidinana ifotony sy fisamborana tao Ihosy, saingy tafaporitsaka kosa i Marc Tatandraza,

 

 izay vao ny faran’ny herinandro lasa teo no namoahan’ny zandarimariam-pirenena fanambarana fa mbola manan-kery ny didy fikarohana na ny “avis de recherche” mikasika azy. Mbola naman’ny afa-bela indray izany aloha izy teto, olona miisa 6 niaraka taminy kosa no voasambotra, raha ny vaovao voaray. Nahitana ankizivavikely vao 12 taona niaraka tamin’izy ireo, saingy salama sy tomady ara-batana tsara fa tsy niharan’ny herisetra na zava-dratsy aloha.  Anisan’ny vesatra nambara fa hanenjehana azy rahateo ny momba ny fangalaran-jaza, saingy tsy niandry ela taorian’ny fanambaran’ny mpitandro ny filaminana, dia namoaka fanambarana tao amin’ny tambajotra sosialy izy, fa tsy olona nagalarina velively no miara-dia aminy fa nanaiky an-tsitrapo hiaraka hitory ny filazantsara aminy. Nambarany fa fanalam-baraka sy fanosoram-potaka ary fanendrikendrehana izany. Misy mihitsy moa ny dika mitovin’ny ampahan’ny taratasy nambarany fa fifanekena hahafahany mitondra ireo ankizy. Ny mahagaga sy mampametra-panontaniana ny maro dia ny hoe nahoana ary izy no mandositra ny mpitandro ny filaminana, fa tsy sahy mipoitra manaporofo ny maha olo-marina azy ? Tsy tokony hanan-tahotra ity mpitarika antokom-pivavahana ity, raha tena mahatsapa fa olo-marina. Matoa aloha miery toy ny jiolahy, dia nanao ratsy no hanasokajian’ny maro azy. Tsy sahy miseho masoandro fa mandefa sary sy horonantsary, ary hafatra hafahafa amin’ny tambajotra ara-tsosialy no tena ataony. Mitohy hatrany izany aloha ny fangala-piery eo aminy sy ny mpitandro ny filaminana hatreto.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT