Finoana

Firenena mahantra Mampiroborobo ny mpaminany sandoka


  • Zoma 25 Febroary 2022

Mirongatra izay tsy izy ireo karazan’olona misora-tena ho mpaminany sy mpahay fahagagana miseho amin’ny endriny maro.

Amin’ny tany sy firenena mahantra tahaka an’i Madagasikara no tena mirongatra ireo mpaminany sandoka,… Misy dia sahy miteny mihitsy fa noho ny fahaizany no mahatanteraka na tsia ny zavatra iray. Hita taratra izany tamin’ny fisian’ny loza voajanahary tahaka ny rivodoza nisesy teo, fa dia misy maromaro mihitsy no milaza fa izy no namily loza. Misy amin’ireo mitonona ho mpampinany no mpitarika antokom-pivavahana. Sanatria ny hoe hanakiana be fahatany azy ireny, ary tsy ny fivavahana no ratsy, fa ny mety fanaovana fitaovana azy ho fitadiavam-bola na sanatria natao hanambakana sy vao mainka hanabotriana olona, ka hanaovana faminaniana sandoka mihitsy hisarihana mpanaraka. Rehefa mahantra sy malemy ny olona, mora ny mandrebireby sy milalao ny sainy. Mora ampanatenaina vahaolana tsy mila ezaka firy, mora raviravizana amina fahagagana,... Tena mitady izay hiantsampazana, mahatsiaro ho marefo ka resy lahatra vao ampanatenaina vahaolana tsy mila fisasarana ela,... Tena tsy takona hafenina rahateo ny fihazakazahan’ny doka ara-pivavahana na “marketing religieux”, ka misy ny sahy manatontona volabe hanaovana doka hisintonana mpanara-dia mba hampitombo ny vola miditra, ao ny mampiseho fa mahay manao fahagagana, ary misy no maneho mihitsy fa mahita ny ho avy na mpaminany. Amin’ny lafiny iray, dia mety ho endriky ny firoboroboan’ny asa fitoriana ny filazantsara. Na izany aza, mila mailo sy mitandrina satria tena efa tanteraka eto Madagasikara ilay hoe: “Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro”.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT