Finoana

Fiombonan’ny Fiangonana Protestanta “Aretina azo tsaboina tsara ny fiarahan’ny mitovy fananahana”


  • Talata 07 Janoary 2020

Tontosa ny alahady 5 janoary tokandro teo ny famindram-pitantanana ny FFPM teo amin’ny Dr David Rakotonirina filohan’ny FLM, ary filoha vaovao hitantana ny Fiombonan’ny Fiangonana

 

 

Protestanta eto Madagasikara  amin’ity taona 2020 sy ny ny filohan’ny Fjkm ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi , filoha teo aloha.Nanamafy nandritra ny toriteniny ny Reverend Dr  David Rakotonirina fa manameloka ny dika vilana mety ataon’ny sasany amin’ny Soratra Masina ny FFPM, ka hialokaloka ao ambadik’izany sy hampiseho ampahibemaso ny fiarahan’ny mitovy fananahana.Heverin’ny FFPM fa marary ny olona mitovy fananahana miaraka na mivady hoy ny fanambarany; tsy mitsara kosa anefa ny Fiangonana na hoe mitaky ny hanagadrana ireny olona ireny; tsy eken’ny fiangonana koa anefa ny fitakian’izy ireo ny zony hiaraka na hivady an-kahalalahana.Soso-kevitra atolotry ny fiangonana ny hananganana toerana iray hikarakarana sy hitsaboana azy ireo satria resy lahatra ny FFPM fa aretina azo tsaboina tsara ity fiarahan’ny mitovy fananahana ity.

 

RTT

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT