Finoana

Fiombonan’ny mpitory filazantsara eto Madagasikara Krizy ara-panahy no misy eto fa tsy krizy politika


  • Alarobia 10 Jona 2015

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo fiangonana zandriny mivondrona ao anatin’ny fiombonan’ny mpitory filazantsara eto Madagasikara, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.

 

 Nambaran’izy ireo tamin’izany fa krizy ara-panahy no misy eto amintsika fa tsy krizy politika. Ny fiverenan’ny mpitondra amin’Andriamanitra ihany, hoy i Pastera Sylvain Ravahatraina  no hany vahaolana tokana ho an’ny firenena. Ekena fa efa mpino avokoa isika, hoy izy misy amin’ireo solombavambahoaka sy ny ekipa eo anivon’ny fiadidian’ny repoblika aza no mpiandry mihitsy. Fanontaniana napetrany ny hoe : tena mampihatra ny voalazan’ny soratra masina tokoa ve izy ireny ? Miantso ny hisian’ny fifandeferana sy ny fanetren-tena eo amin’ny tsirairay izy ireo raha andraikitra horaisiny kosa ny hitrotro am-bavaka hatrany ny firenena.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT