Finoana

Fiombonamben地y Fiangonana maneran-tany Miantso ho amin地y fiarovana ireo mpanao gazety Malagasy


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Tsy nijanona teto amintsika ihany fa dia vaky vava izao tontolo izao, indrindra ny sehatry ny fiangonana manoloana ny zava-misy, ny herisetra nisesy tato ho ato. Nomelohin地y fivondronambe iraisam-pirenen段reo fiangonana 喪eform馥� na ny World Alliance of Reformed Churches (WARC) ny zava-misy ara-politika eto Madagasikara, izay manohintohina ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra.

Nasian’izy ireo tsindrim-peo manokana ny nanagadrana ireo mpiasa teo anivon’ny onjampeon’ny fiangonana FJKM, dia ny radio Fahazavana sy ny nanakatonana izany onjam-peo izany. “Tohananay ny hevitry ny faminaniana, izay mitady Fahamarinana sy Fihavanam-pirenena any Madagasikara”, araka ny fanazavan’ny Révérend Clifton Kirkpatrick, filoha sy ny Révérend Setri Nyomi, Sekretera jeneraly. Nalefa tamina firenena 107 moa io hafatra io. Tsara ny manamarika fa mpikambana feno ao amin’ny WARC ny FJKM. “Tokony harovana feno ireo mpanao gazety ary tokony hohenoina am-pahamarinana sy an-kalalahana izy ireo”, raha adika tsotsotra ny zavatra nolazain’ny sekretera jeneraly. Miombom-peo amin’izany avokoa moa ny rantsan’ny WARC any Londres (Angletera), eo koa ny fiangonana protestanta any Soisa, izay nanoratra tamin’ny masoivohon’i Soisa eto Madagasikara momba ny fanakatonana sy ny fanagadrana ireo mpanao gazetin’ny radio Fahazavana. “Niara-niasa tamin’ireo mpanao gazety ireo efa ela izahay, ary anisan’ireo nomenay fiofanana ireo mpanao gazety ireo”, hoy ny talen’ny Media Pro, any Soisa sy ny sekretera jeneralin’ny DM Echange et Mission. Nomelohin’ireo fivondronamben’ny fiangonana iraisam-pirenena ihany koa ny antsojay atao amin’ny fiangonana FJKM izay mpikambana eo anivon’ny CWM, ny WARK, teo koa nisamborana sy nanagadrana ny pastera Valisoa sy ny namoizana ny mpitandrina Ranaivo Rivo Arson. Raha ny antontan’isa dia manodidina ny roa tapitrisa mahery ankehitriny ny mpino Fjkm eto Madagasikara. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin窶冓ty sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT