Finoana

Finoana sy Fiangonana Misy te hamotika ny FFPM ?


  • Alatsinainy 14 Martsa 2016

Nifanindran-dalana tamin’ny fotoana nanombohan’ny zotra anabakabaka nampitohy mivantana an’Antananarivo

(Madagasikara) sy Ankara (Torkia) tamin’ny tapatapaky ny volana desambra ny taona 2015 teo dia saika nahitana disadisa avokoa ny fiainan’ny Fiangonana kristianina mivondrona eo anivon’ny FFKM.

Asa na fifanandrifian-javatra na nisy kajy sy tetika efa mandeha any ambadika any fa iaraha-mahalala ny zava-misy any Eoropa mikasika ny mpitsoa-ponenana vokatry ny ady izay saika avy any amin’ny tany misy ny finoana silamo no ankamaroany ka tian’ny fianakaviambe eoropeanina ankehitriny halefa any amin’ny fanjakana tiorka hosandaina vola be hatrany amin’ny telo lavitrisa dolara any ho any in-droa miantoana hiantoahana indray ny fiverenan’ireo mpitsoa-ponenana izay maro no silamo ireo any amin’ny toerana niaviany avy. Amin’izy ireny dia misy mankaty Madagasikara ary efa niaraha-nahita izany nentin’ny Turkish Airlines. Tetsy an-kilany koa dia efa nalaza sy nahoraka be teto amintsika ny fananganana fiangoanana silamo maro be. Amin’ny maha finoana azy dia tsy misy ny maha ratsy an’izany saingy tsy azo odian-tsy hita ireo izay tafavily lalana amin’ireny mpino silamo ireny ka lasa mpampihorohoro iraisam-pirenena. Izay no tiana hahatongavana hoe misy ve izany ankehitriny tetika mety tsy avy amin’ny mpino silamo madio fihetsika fa mety avy amin’ireo milaza fa mpino kanefa lasa mpampihorohoro, entina handravana ny fiangoanana kristianina. Vao vetivety teo no nandrenesana vaovao tsy dia tsara momba azy ny Ray aman-dreny pastora mpitondra fiangonana FJKM. Any avaratry ny nosy any, miady an-trano ihany koa ny FLM raha toaka ka any atsimon’ny nosy indray mahazo laka ny finoana vaovao hafa mijoro ho fanavaozana ny finoana katolika. Manginy fotsiny ny zava-misy eto Antananarivo sy ny firoborobon’ny fiangonana zandriny. Fifanandrifian-javatra avokoa ve izany rehetra izany sa misy tanàna hafa any ambadika any miasa manao izay hikorotanan’ny fiainam-pinoan’ny Malagasy. Ny fandalàna ny fivavahana nentin-drazana anefa efa tsy nahazo laka intsony fa efa resin’ny « christianisme ».

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT