Finoana

Finoana sy fiainam-pirenena Mila vavaka sy tohana ny Malagasy


  • Zoma 14 Novambra 2014

Manoloana ny tranga sy ny savorovoro misy eto amin’ny firenena, indrindra ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka noho ny krizy izay mbola mamely, eo ihany koa ny raharaha politika isan-tsokajiny

dia resy lahatra ny fiangonana fa hitondra ny anjara birikiny amin’izany ka hitrotro am-bavaka sy hizara ny vaovao mahafaly amin’ny vahoaka malagasy. Araka izany dia  ny fifohazam-panahy no hitan’ireo mpitory ny filazantsara fa  hanafaka ny firenena amin’ny kizo sy ny korontana. Hisy noho izany ny” croisade national” na ny fitoriana filazantsara nasionaly karakarain’ny fiangonana Shine, ny zoma 21, ny sabotsy 22 ary ny alahady 23 novambra ho avy izao eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpitoriteny kalaza eto Afrika sy manerana izao tontolo izao,dia ny Eveka Dag Heward-Mills no ho avy manokana eto amintsika hitarika izany . Fitoriana, Fanasitranana, Fanafahana, ary famonjena no hiompanan’ireo telo andro misesy ireo. Mifanindran-dalana tanteraka amin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fiangonana Shine teto Madagasikara ihany koa izao hetsika izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT