Finoana

Finoana Silamo - Ramadany Nanomboka omaly


  • Talata 07 Mey 2019

Nanomboka omaly alatsinainy 06 mey ny ramadany amin’ity taona 2019 ity ho an’ireo mpino silamo manerana ny Nosy.

 

Raha ny fanazavan’Atoa Alain Aboubakar,  mpino silamo mitana andraikitra goavana eo anivon’ity finoana ity dia  fotoana iray natao hanomezan-danja ny fanahy ao anatintsika olombelona ny ramadany tahaka izao. Tsy misakafo mihitsy ireo mpino Silamo rehetra fa mivavaka mifandray amin’Andriamanitra hanomezana hery ny fanahy. Afaka mihinana kely kosa ireo vehivavy bevohoka sy mampinono saingy tsy maintsy honerana izany amin’ny fotoana mahamety azy. Tsy mahazo miray ara-nofo amin’ny vadiny ihany koa ny lehilahy ary misara-pandriana mihitsy ny roa tonta raha azo hatao. Ny mba hahafahana manohitra ireo karazana hery ratsy mitarika ny olona hangalatra sy hanaotao foana moa no tena tanjona hananana fiarahamonina mirindra sy milamina. Haharitra iray volana ny Ramadany ka amin’ny fotoana fiafarany dia ho andro tsy fiasana nefa handraisan-karama ho an’ny rehetra, fangatahana efa nataon’ireo mpino silamo tamin’ny fanjakana Malagasy hatramin’ny ela ary efa nankatoavina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra farany teo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT