Finoana

Finoana Silamo Hanomboka ny iray volan’ny Ramadany


  • Alatsinainy 06 Jona 2016

Hisokatra anio alatsinainy na rahampitso talata ny iray volan’ny Ramadany ho an’ireo mpino Silamo eto amintsika.

 

Miankina amin’ny singam-bolana izy io, araka ny fanazavan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny sabotsy teo, iray volana izay volan’ny Tompo Andriamanitra Allah, volan’ny fahasoavana, volan’ny famindram-po ary volan’ny famelan-keloka. Fotoana lehibe hanaovan’ny mpino Silamo fifehezan-tena mandritra io iray volana io, hoy i  Theikh Rijaly Jean Bel, mpitarika ireo mpino Silamo mivondrona ao amin’ny Ummi Madagascar eny Anosimasina Itaosy. Tafiditra ao anatin’izany ireo karazana adidy lehibe hampanaovin’Andrimanitra azy ireo izay misy azo leferina ka hitondra fahasoavana ho an’izay mandray anjara.  Tsy bedy kosa izay tsy manao. Ho an’ireo karazana adidy lehibe tsy maintsy hatao kosa toy ny vavaka isan’andro, ny fifadian-kanina, ny tsy fahafahana manao firaisana ara-nofo ho an’ny mpivady…izay mitaky olona salama saina sy vatana, tsy mandeha lavitra manodidina ny tanàna dia tokony hatao sy harahina tsara ho an’ny mpino Silamo rehetra. Arahina hetsika ara-tsosialy maro isan-karazany izany, toy ny fizarana ho an’ny tsy manana, fampirisihina ny olona tsy hanao herisetra sy ny fivahinianana masina ho an’ireo manana fahafahana.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT