Finoana

Finoana Silamo Efa niatomboka ny volana ramadany


  • Talata 01 Jolay 2014

Ny alahady 29 jona teo no niara-nahita ny fiposahan’ny volana ireo mpino silamo rehetra maneran-tany ka tonga ny fotoana hidirana ao anatin’ny volana ramadany....

Fotoana hifehezan-tena ny volana ramadany ho an’ireo mpino silamo, hialana amin’ny toetra ratsy izay fanao andavanandro ka hiverenana amin’Andriamanitra. Ho an’ireo mpino silamo teto Mahajanga dia samy niatomboka tamin’io fotoana io avokoa  ny fifadian-kanina izay mariky ny volana ramadany. Haharitra iray volana eo ny fanatanterahana azy io. Adiny iray mialoha ny fiposahan’ny masoandro dia tsy tokony hisakafo ny mpino iray ary miafara amin’ny filentehan’ny masoandro. Vita izay vao afaka miverina misakafo indray; araka ny fanazavana nentin’i Fondy Badroudine, avy ao amin’ny mosqueé Al-Zahar Tsaramandroso Ambony. Tsara ho fantatr’ireo olona sasany anefa fa tsy atao fomba mahazatra ny ramadany fa efa voasoratra ao anatin’ny « courran ». Raha ny zava-misy dia tsy voafehin’ny mpino silamo sasany io fifehezan-tena ao anatin’ny volana ramadany io. Matetika dia maro ireo fankampanahy eny anelanelam-potoana ary tsy tonga hatramin’ny farany ny fanatanterahana azy. Noho io indrindra dia efa tokony hiomana mialoha ny fotoana ireo mpino. Ny tanjona dia ny fiverenana amin’Ilay Nahary izao tontolo izao. Mirary soa ho an’ireo mpino silamo rehetra mba hahavita ny volana ramadany hatramin’ny farany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

  • FIHAONAMBEN'NY FIANGONANA
  • Talata 25 Aogositra 2026

Tsy mora, amina miliara

Hijery ny tohiny
FTT