Finoana

Finoana Mbola hikatona ny fiangonana Katolika


  • Zoma 24 Aprily 2020

Raha nilaza ny eo anivon’ny Fiangonana FJKM fa hiverina hisokatra ny fiangonana fa kosa arahina fepetra dia ny fanajana ny lamina napetraky ny fanjakana, dia mitohy kosa ny fikatonan’ny Fiangonana Katolika na ny EKAR rehetra manerana ny Nosy.

 

 

Betsaka ny ny manontany manoloana ny fahafahan’ny vahoaka miverina any am-piangonana taorian’ny fanambaran’ny Filoham-pirenena farany naneho, fa manomboka miverina tsikelikely amin’ny fiainana andanandro isika, hoy ny Kardinaly Désiré Tsarahazana. Ho fanamafisana ny taratasy nalefa any amin’ny diosezy tsirairay sy araka ny tatitra sy toromarika avy amin’ny fitondram-panjakana mahefa, dia mitohy ny hamehana ara-pahasalamana, ary tsy azo atao ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 50, mbola ao anatin’ny ady amin’ny fipariahan’ny valanaretina covid-19 isika amin’izao fotoana izao. Tohizana ny natao teo aloha, izany hoe mankalaza ny sorona masina ireo lohan’ny mpisorona, ary alefa amin’ny fitaovan-tserasera, araka ny fampitam-baovaon’io Lehiben’ny Fiangonana katolika eto Madagasikara io. Anjaran’ny Eveka isaky ny disoezy no manome toromarika araka ny zava-misy any amin’ny toerana tsirairay, ary tsy maintsy manaraka ny fepetra napetraky ny fanjakana, hoy ny Kardinaly Désiré Tsrahazana. Ho an’ny FLM kosa dia hitafa amin’ny mpanao gazety ny Rev Dr Rakotonirina David, filohan'ny FLM sady filohan'ny FFKM anio zoma 24 aprily amin'ny 10h30 ao amin'ny FLM 67 ha ka eo no ahitana na hitohy ny fikatonana na hisokatra amin'izay.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT