Finoana

Finoana Katolika Nhazo Arseveka vaovao i Antananarivo


  • Talata 06 Jona 2023

Ofisialy nanomboka omaly, fa nankatoavin’ny Papa Fransoà izay Lehiben’ny Katolika Romanina maneran-tany ny

fametraham-pialan’i Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona amin’ny fitantanana pastoraly ny Arsidiosezin’Antananarivo. Ny eveka rehetra feno 75 taona dia tsy maintsy mametra-pialana amin'ny fitantanana ny diosezy iandraiketany, ka ny papa no mamaly sy manaiky izany amin'ny fotoana maha mety azy, raha ny rafitra eo anivon’ny Katolika. Misy ihany koa anefa ireo eveka tsy mbola nahatratra io fe-taona io no mametra-pialana noho ny antony samihafa. Ny Papa ihany koa no mankato na tsia ireny fametraham-pialana ireny. Taorian’ny fametraham-pialan’ny Arseveka izay handeha hisotro ronono, dia notendreny ho Arsevekan’Antananarivo vaovao avy hatrany i Monseigneur Jean de Dieu Raoelison, evekan’Ambatondrazaka ankehitriny. 59 taona izy ankehitriny, ka raha ny ambangovangony momba azy, dia ny 7 septambra 1996 izy no nohamasinina ho pretra, ny 25 marsa 2010 no voatendry ho eveka mpanampy ho an’ny Diosezin’Antananarivo ary nohamasinina ho eveka, teo amin’ny Kianja malalaky ny Kolejy Masina Misely Amparibe, ny 13 jona 2010. Voatendry ho evekan’Ambatondrazaka izy ny 11 aprily 2015. Nianatra ny Teolojia tao amin’ny Seminera Zokiny ao Ambatoroka Antananarivo moa izy ny taona 1993-1999; nahazo ny mari-pahaizana Licence momba ny Teolojia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar (ICM, UCM ankehitriny), tamin’ny taona 1998. Nanohy fianarana tany amin’ny Faculté théologique de Lugano (Suisse), nahazo ny Doctorat en Théologie dogmatique ny 2004-2008,… Maro ireo andraikitra sy iraka notanany teo anivon’ny Fiangonana katolika, talohan’izao nanendrena azy ho Arsevekan’Antananarivo izao. Raha ny endriny ankehitriny, dia izy ihany koa izany no hisolo tena ny EKAR (Eglizy Katolika Apostolika Romanina) eo anivon’ny FFKM (Fikambanan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara).
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT