Finoana

Finoana Katolika Miato aloha ny hetsika rehetra any Anosivolakely sy Soaniroa


  • Alatsinainy 17 Oktobra 2022

Nilatsaka ny didy : miato daholo aloha ny hetsika rehetra ataon'ny Eglizy Katolika Romana (EKAR) any Anosivolakely sy Soaniroa satria tsy mifanaraka amin'ny finoana Katolika ny zavatra miseho any an-toerana fa mbola misy

fanadihadiana lalina ataon'ny eo anivon'ny EKAR sy ny VATICAN.Nanamafy izany ny arsevekan’Antananarivo ny Mgr Odon Razanakolona ny faran’ny herinandro teo.Toerana fanatanterahana fivahinianana masina sy recollection ho an’ny mpino Katolika ireo toerana roa ireo, ny tena malaza sy fantatry ny rehetra dia i Anosivolakely izay nambara fa nisehoan’i Masina Maria. Io fanapahan-kevitra nivoaka io no midika fa miahiahy ny amin’ny fahamarinan’ilay hoe fisehoana izany ny Eglizy ka mila fanadihadiana lalina kokoa. Ary tsy mijanona eto Madagasikara ihany moa ilay raharaha fa efa tonga hatrany Vatican mihitsy ; manana anjara toerana goavana amin’ny finoana Katolika i Masina Maria, renin’Andriamanitra ary tena mahasarotiny tokoa ny Eglizy .Andrasana izay mety ho fivoaran’ny toe-draharaha.
Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT