Finoana

Finoana Katolika Martiry nahavita be i Ramose Lucien Botovasoa


  • Talata 13 Martsa 2018

Notontosaina ny sabotsy teo tetsy amin’ny EKAR Md François d’Assise Andravoahangy ny fampahafantarana ny tantaran’ny martirin’ny finoana katolika, Lucien Botovasoa, fantatra amin’ny hoe Ramose Lucien Botovasoa, amin’ny maha mpampianatra azy fahavelony.

 Ny faha 15 ny volana izao moa no hasandrantra ho olon-tsambatra izy, araka ny fanazavan’ny mopera François Noiret, izay nitarika ny lahadinika momba ity oloben’ny finoana katolika ity taorian’ny tantara an-tsehatra momba ity mpampianatra ity. Teraka ny taona 1908 Ramose Lucien Botovasoa. 9 mianadahy izy ireo ary izy no zokiny indrindra. Ny taona 1922 izy no vita batemy. Nanaraka fiofanana tamin’ireo Jezoita ary nitohy tamina fiofanana mpampianatra ny taona 1928. Ny taona 1930 izy no nanambady an’i Suzanne Soazana ka niteraka 8 mianadahy saingy ny 5 tamin’ireo ihany no velona. Maro ny sendram-pinoana nolalovany, indrindra, taorian’ny nananganany ny “Terciaire Franciscaine Malgache” sy ny niraisany donakafo tamin’ireo misionera frantsay hanapariahana ny filazantsara. Nahavatra ho nanao fitafiana mahantra mihitsy izy tamin’izany nefa talena sekoly ka na ny vadiny aza nihevitra azy ho adala saingy izy kosa nanao izany ho fisedrana. Nafampana moa ny fitakiana fahaleovantena tamin’izany ka dia nalaina vondrona mpitolona Malagasy an-keriny izy ary maty nisy namono tao Vohipeno ny volana aprily 1947 satria nohampangaina ho mpamadika tanindrazana. Talohan’ny nahafatesany anefa dia nilaza tamin’ny vadin’izy fa ho asandratra ho Martiry ary neken’ny Papa François ny maha martiry azy ny 4 may 2017 teo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT