Finoana

Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima Manampy hatrany ny mpiara-belona


  • Sabotsy 05 Novambra 2016

Finoana iray anisan’ny manome lanja ny fiompiana sy ny fambolena ny Finoana Jodaisma Madagasikara Mesirima tarihin’i Cohen Bera.

 

 Manota mantsy izy ireo raha tsy mandray anjara amin’izany, hahafahany mamokatra sakafo mahavelona ara-pahasalamana mifanaraka amin’ny Baiboly hampiasainy, eo ihany koa ny mba  hahafahany mamokatra ho an’ny firenena iray manontolo mihitsy. Tafiditra ao anatin’ilay hetsika fizarana sakafo maimaimpoana notanterahin’izy ireo tao amin’ny fokontany Ambodifasika, kaominina Itaosy izany omaly ka olona sahirana avy ao amin’ny fokontany miisa 100 no nahazo tombontsoa niampy ireo mpino ao anatin’ny fikambanana miisa 50. Tsiahivina moa fa mbola ao anatin’ny fankalazana ilay fetin’ny Sokoto tandindon’ny fitsarana ny satana sy ny forongony, ny olombelona sy izao tontolo izao izy ireo ankehitriny ka ao anatin’ny fihinanana ny matavy, ny mamy ary ny fisotroana no hanaovany izany mandritra ny valo andro. Ho an’ireo mpikambana manokana dia efa misy mihitsy ny fampianarana azy ireo amin’ny resaka fitantanam-bola eo anivon’ny tokantrano ka anisan’ny hanokanana vola ny fety tahaka izao. Misy ihany koa ny fanampiana ireo tanora amin’ny fitadiavana asa. Toerana efatra eto Madagasikara moa no misy toerana fambolem-bary sahanin’izy ireo ankehitriny toy ny ao Ambatondrazaka, Tsiroanomandidy, Fianarantsoa. Mbola eo an-dalam-pikarakarana ny taratasy kosa ny ao Antsirabe.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT