Finoana

Finoana Hisokatra ihany koa ny Fiangonana FLM


  • Alakamisy 13 Aogositra 2020

Namoaka toromaika ho an’ny Pastora sy ny Fiangonana ary ny Kristianina FLM rehetra ao anatin’ny Synodam-paritany Antananarivo (SPAnta) ny eo anivon’ny Fiangonana FLM.

 

 

Araka ny tsodrano nomen’ny Filohan’ny Fiangonana sy araka ny Fanambaran’ny Filohan’ny Repoblika ny 09 aogositra, milaza fa fiverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro ny faritra Analamanga, miverina miasa hatramin’ny 5ora hariva ny rehetra, dia nanambara ny Biraon’ny Synodam-paritany taorian’ny fifampidinihana fa: miasa avokoa ny Pastora rehetra ao anatin’ny SPAnta mba ho fampaherezana ny kristianina izay efa reraky ny krizy ara-pahasalamana. Raha tsy misy olana eo amin’ny ambaratongam-piotondrana, dia misokatra ny Fiangonana FLM manerana ny Synodam-paritany Antananarivo, izay misahandrahaka amina faritra telo ara-panjakana (Analamanga, Itasy, Bongolava). Nohamafisina kosa ny toromarika amin’ny hanajana ny fepetra ara-pahasalamana satria mbola ao anatin’ny ady amin’ny valanaretina Covid 19 ny firenena. Taorian’ny Fiangonana FJKM izany dia hiverina hisokatra ihany koa ny FLM ato anatin’ny Synodam-paritany Antananarivo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT