Finoana

Finoana Hebraika Jodaisma « Tsy azo ekena ny fiarahan’ireo mitovy fananahana »


  • Talata 03 Novambra 2020

Taorian’ny resabe niely teto amintsika mikasika ny fahafahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy miaraka noho ny fandikana vilana nataona mpanao

 

 

gazety iray ny lahateny nataon’i Papa Ray masina, lehiben’ny fiangonana Katolika dia nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa Kohen Rivolala, mpitarika ny finoana Hebraika Jodaisma eto Madagasikara. Nambarany tamin’izany fa manohitra tanteraka ny sitrapon’ny Mpahay ny fanaovana izany ka tsy maintsy toherintsika tsy hiditra eto Madagasikara. Miantso ny vahoaka mpino vita mikbah tao amin’ny finoana tarihiny, araka izany izy mba hivondrona hiaro ny tanindrazana sy ny vahoaka masina eo amboniny. Mahatonga fandravana sy fandringanana mantsy ny firaisan ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy izay fiainana sodomita hoy izy. Nomarihiny moa fa na an-kolaka na mivantana ny fampidirana io zavatra mamoafady eto amintsika dia tsy eken’izy ireo. Tsiahivina moa fa tsy ity finoana iray ity ihany no manohitra io fiarahan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy io ka ny rehetra mihitsy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT