Finoana

Finoana Hanokatra Fiangonana ny FJKM


  • Talata 11 Aogositra 2020

Nanapa-kevitra ny hanokatra ny Fiangonana FJKM, fa hiverina hisokatra ny Fiangonana, araka ny Fanambaran’ny Filohany Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi omaly.

 

 

 

 Misaotra an’Andriamanitra fa na dia tena mbola ao anatin’ny amin’ny coronavirus aza, dia efa ao anatin’ny fidinan’ny olona voa na ny “Phase de décroissance” ka miala amin’ny fihibohana, araka ny tenin’ny Filoham-pirenena, hoy izy. Ny Faritra Analamanga dia efa tratra ilay PIC ka ao anatin’ny « Phase de stabilisation », miverina tsikelikely amin’ny fiainana andavanandro, miasa hatramin’ny 05 ora, miasa ny mpiasa, misokatra ny restaurant. Koa satria miasa ny Mpitandrina, dia misokatra avokoa ny fiangonana FJKM rehetra. Tsy maintsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana toy ny natao teo aloha anefa, raha ny fanambaran’ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Isan’ireo fepetra moa ny famerana tsy hihoatra ny 50 ny olona miara-miditra, ny elanalena iray metatra, ny fanasana tànana.Maro ireo fitandremana efa nametraka lamina ny amin’io fiverenan’ny fisokafan’ny Fiangonana io, dieny omaly ihany.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT