Finoana

Finoana Hanokatra Fiangonana ny FJKM


  • Alakamisy 23 Aprily 2020

Nanao fanambarana tetsy amin’ny biraony etsy Ampandrana omaly ny biraon’ny mpiandraikitra foibe FJKM, tarihin’ny filohany, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi,

 

 

 

 

 fa rehefa nivory izy ireo iny omaly iny hatrany dia amin’ny maha fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao ny fiangonana, araka izay voasoratra ao anaty baiboly dia ny Matio 5: 13,14 dia mpandray anjara mavitrika amin’ny famongorana ity valanaretina COVID 19 ity izy. Manabe vahoaka sy manampy izay mila vonjy ihany koa. Tsy ady amin’ny aretina ihany no atrehintsika ankehitriny, hoy hatrany ny FJKM, fa ady ara-panahy, indrindra koa, araka izay voasoratra ao amin’ny Efesianina 6: 12. Ilaina ny famelomana ny aim-panahy sy fanatanjahana ny finoan’ny mpino. Fitaovam-piadiana tsy maintsy ilaina ny famelomana ny aim-panahin’ny vahoaka sy ny fanatanjahana ny finoana. Ny vahoaka reraka am-panahy dia handairan’ny aretina sy ny ratsy amin’ny endriny rehetra, izay vao mainka handetika n y firenena, hoy ny Filohan’ny FJKM omaly.Ho fanajana ny didim-panjakana lah 2020-420 ny 17 aprily 2020, noho izany, dia nanapa-kevitra ny FJKM fa hanome lalana ny mpitandrina sy ny fiangonana ity birao ity mba hanao fanompoam-pivavahana na isan’andro aza saingy am-panajana ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana kosa manoloana izao ahamehana ara-pahasalamana izao. Isan’izany ny hoe tsy mihoatra ny 50 isa ny mpivory, misasa tanana amin’ny rano sy savony avokoa ny rehetra, hajaina ny elanelana 1 metatra, tsy mifandray tanana, mitondra sarom-bava daholo ny rehetra ary mifarana amin’ny 1ora tolakandro ny fotoana rehetra.

J. Mirija sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT