Finoana

Finoana eto Madagasikara Miha mahazo vahana ny fivavahana Silamo


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Araka ny resaka nifanaovan’ny Mgr Georges Varkey Puthiyakulangara, Eveka ao Port Bergé, ao avaratr’i Madagasikara,

 

 dia fanamby hapetraky ny fiangonana Kristianina eto ankehitriny ny paikady manoloana ny fitomboan’ny mpino Miozilimanina sy ny firoborobon’ny finoana Silamo ary ny ady amin’ny famosaviana. Ny 45%-n’ny malagasy ankehitriny no Kristianina ary 25%-n’ireo no Kristianina Katolika. Manaraka ny fivavahan-drazana kosa ny ankamaroan’ny Malagasy, raha ny fanazavan’ity Eveka ity hatrany. Raha ny ao Port Bergé fotsiny izao dia saika mametraka ny finoany amin’ny fiheverana fa misy fanahy daholo ny zavaboary manodidina, izany hoe, “Animiste” ny 95%-n’ny mponina. Raha miisa 800.000 ireo mponina dia tsy misy afa-tsy 25.000 ka hatramin’ny 30.000 amin’ireo no Katolika. Maro ireo vohitra tsy azon’ny mpitondra fivavahana hidirana noho ny filalaovan’ireo mponina ody. Teo aloha teo dia nirindra ihany koa ny fifandraisanay amin’ny finoana Silamo, hoy ny fanazavany, saingy zary lasa ady hatrehina ho anay ankehitriny ny firoboroboany eto amin’ny firenena. Mitombo sy miha mahazo vahana be io fivavahana iray io. Raha tsy nisy afa-tsy kaomorianina sy pakistaney ary Malagasy vitsivitsy no nanaraka izany teo aloha teo dia mitombo isa hatrany ireo vahiny sy teratany manaraka azy ankehitriny. Nisy fifanarahana tamin’ny governemanta hananganana Moske miisa 2400 mihitsy, hoy hatrany izy. Ato amin’ny Dioseziko izao tsy misy Miozolimanina fa feno Moske miorina. Ambaran’ireo Kristianina matetika moa fa efa voasoratra ao anaty Baiboly ny zavatra rehetra toy ny fivakisan’ny fiangonana sy ny fisiana finoana iray lehibe hanindry aloka ny Kristianina toy izay efa nitranga taloha saingy ho iray ihany kosa izy rehetra any am-parany any. Hiatrika ny Paska rahateo ny mpino Kristianina ny 12 aprily izao ary ao anatin’ny Karemy tanteraka amin’izao fotoana izao.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT