Finoana

Finoana Advantista Feno 20 taona ny Radio Oasis


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Nahazo birao vaovao ny federasionan’ny fiangonana Advantista Madagasikara afovoany ( FMC). Ao Soamanandrariny no misy izany izay notokanana tamim-pomba ôfisialy omaly.

 

 

 Raha araka ny fantatra dia ity no birao voalohany naorina tao amin’ny foibe Soamanandrariny hatramin’ny taona 1996 nijoroan’ny FMC. Trano nolovaina tamin’ny sekoly sy ny kilasy mandry no nampiasain’ny FMC hatramin’izay raha tsiahivina. Ankehitriny nahazo birao ho azy madiodio izy ireo. Anisan’ny asa hosahaniny ny handridra ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny fanaovan-tsoa ho an’ny mpiara-belona. Ny mpitantan’asa no mandrindra ny asa rehetra raha anjaran’ny departemanta samihafa kosa no manatanteraka. Tsiahivina moa fa miisa 4 ny faritra hiasan’ny FMC eto Antananarivo. Anisan’izany ny faritra Analamanga, Itaosy, Vakinankaratra ary Bongolava. Marihina moa fa notokanana omaly hariva ihany koa ny studio vaovaon’ny Radio Oasis, radion’ny fiangonana Advantista izay mankalaza ny faha-20 taona nijoroany. Mampiavaka ity radio iray ity ny fitoriany rano fotsiny ny filazantsara izay hamoahany vola indray aza fa tsy hampidirany vola toy ny an’ny hafa, raha araka ny fanazavan’ny pastera Sambany Jacharie, taleny. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina Rtoa Andriantongarivo Lalatiana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT