Finoana

Filohan’ny FLM “Miantso fibebahana Andriamanitra !”


  • Alarobia 27 Desambra 2017

Ao anatin’ny fankalazana ny jobily faha-150 taona nidiran’ny misionera sy ny antsoina hoe reformasionina teto Madagasikara isika amin’izao fotoana.

150 taona, hoy ny filohan’ny fiangonana loteranina Malagasy na ny FLM, Pastora Dr David Rakotonirina, ny atao hoe fibebahana sy famelan-keloka teto amintsika saingy toa nijanona ho teny filamatra fotsiny ihany. Vokatry ny tsy finoana sy ny ota ara-tsosialy izay maha tompon’andraikitra ny rehetra manomboka any amin’ny mpitondra ka hatrany amin’ny vahoaka no mahatonga antsika tahaka izao, raha ny hevitr’ity mpitondra fivavahana ity hatrany. Miantso fibebahana Andriamanitra manoloana ireo ota ara-tsosialy rehetra vitantsika teto toy ny kolikoly, ny fanondranana harena an-tsokosoko, ny tsy fandriampalemana, ny mizana mandainga ary ny fanambakana. Miantso fibebahana toy ny tamin’ny andron’i Jaona mpanao batisa ankehitriny ny Tompo ary tadidio fa tsy mandefitra amin’ireo minia manampi-tsofina amin’ny ota Andriamanitra ka nahatonga ireo loza nitranga toy ny safodrano, araka izay voalazan’ny baiboly ao amin’ny genesisy toko faha-6 sy faha-8. Ny manampahefana rehetra toy ny mpitondra, ny governora, ny mpanapaka ary ny mpitondra fiangonana hatramin’ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany, dia nantsoina avokoa tamin’izany.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT