Finoana

Filohan’ny FLM Lasa nitsabo tena any Frantsa


  • Alatsinainy 19 Jona 2017

Lasa nitsabo tena any Frantsa ny sabotsy teo ny filohan’ny Fiangonana Loterana Malagasy, Rév David Rakotonirina.

 

 Ny alin’ny 28 mey teo rehefa avy nanao fitsidiham-paritra tao Fianarantsoa no nanomboka tsy nahazo aina ity filoham-piangonana ity, raha ny fitantaran’ireo akaiky azy, ary dia nampidirina tao amin’ny hopitalin’Andranomadio. Mbola nitaraina ho nijafajafa anefa izy ka nakarina tao amin’ny hopitalin’Ambohibao indray ny ampitson’iny. Avy eo dia nalefa tao Nosy be indray saingy tsy fantatra ilay aretina, raha ny fanazavana hatrany, ka izao nalefa hotsaboina any Frantsa izao. Araka ny fitantaran’ireo akaiky azy dia mety ho fanapoizinana no nahazo ny Réverand satria ny fitiliana natao dia mampiseho fa efa potika ny vavony sy tsinainy kanefa tsy fantatra ny tena soritr’aretina. Lasa maramara be koa ny hodiny ny alin’io alahady 28 mey io, hoy izy ireo. Ny fitsirihana sy fizaham-pahasalamana lalina kokoa ihany moa no hahafantarana izay tena manjo ity raiamandreny am-panahy mitarika ny FLM ity. Raha ny fampitam-baovao farany, nanampy tamin’ny fandefasana hitsabo tena any andafy ity filohan’ny FLM ity ny filohan’ny repoblika, Hery Rajaonarimampianina sy ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy. Tazana nanatitra azy teny Ivato ny depioten’Ambositra Hary Andrianarivo izay sady mpitahiry volan’ny birao foibe FLM.

Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT