Filohan’ny FJKM

Sokafana etsy Antsahamanitra ny jobily fisotroan-dronono


  • Talata 10 Oktobra 2023

Ny fivorian’ny mpiandraikitra foibe FJKM, izany hoe avy eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara

farany teo, no tapaka fa omanina ny fisotroan-drononon’ny filohan’ny FJKM Ankehitriny, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, mpitandrina. Rafitra iray ahitana olona miisa 100 manapa-kevitra ny ankapoben’ny fiainan’ny fiangonana ny mpiandraikitra foibe, hoy ny fanazavan’ireo komity misahana izay fanomanana ny fisotroan-drononon’ny filohan’ny FJKM izay omaly tetsy amin’ny Akany FJKM Ambatonakanga. Ny taona 2025 aorian’ny sinoda lehibe atao any Taolagnaro no andeha hisotro ronono ny filohan’ny FJKM ankehitriny. Nanapa-kevitra, noho izany, ny mpiandraikitra foibe fa omanin’ny FJKM rehetra izany. Sady filohan’ny FJKM izy no filohan’ny FFKM no filohan’ny FFPM ankehitriny. Mafy be ny asany ka mangataka fitrotroana izany am-bavaka avy amintsika rehetra. Ny sabotsy 14 oktobra izao moa no ho sokafana izany taom-pankalazana izany ao Antsahamanitra ka hanasana ny rehetra. Hisy aorian’izay, any amin’ny volana septambra any ny hetsika ara-panatanjahantena isan-karazany ary hisy hetsika fanamarihana hatrany hatramin’ny taona 2025, famaranana ny fankalazana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT