Filohan’ny FJKM

« Mpitarika sy mpanitsy ny Fanjakana ny Fiangonana»


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Tontosa teny amin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina omaly alahady 19 janoary 2025

ny fanompoam-pivavahana lehibe fitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2025 ho an’ny Fiangonana FJKM. Vory lanona teny an-toerana noho izany ny mpino FJKM maro. «… Izay ateraky ny fitiavam-bola ny fahefana dia manorina eo ambony fasika, ka tsy maintsy hirodana na ho ela na ho haingana. Eo ny fanabeazana maha olom-pirenena, tohizo ny foto-kevitra notanantsika, farafaharatsiny izay nitarihiko anareo », hoy ny Filohan’ny FJKM Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Nahitsy ny tenany naneho, fa tsy atao fitaovana politika ny fiangonana. Notsiahiviny ny tenin’ny Dr Martin Luther King manao hoe : «Ampatsahivo ny Fiangonana fa tsy tompon'ny fanjakana izy, na mpanompony. Tokony ho mpitarika sy mpanitsy ny fanjakana ny fiangonana". Notsipihiny eo anatrehan’ny fahapotehan’ny tontolo iainana ankehitriny, fa fijoroana ho zanak'Andriamanitra ny fikajiana ny tontolo iainana. Tsy maintsy tohizana ny sekoly maitso sy fiangonana maitso ary ny fambolena hazo fihiaam-boa. Izay fambolen-kazo atao dia tsy maintsy araha-maso mba ho vanona. « Omeo laka hatrany fanabeazana. Tsy maintsy ampiroboroboana ny sekoly FJKM. Raha velona ny sekoly dia azo antoka ny hoavin'ny fiangonana. », hoy hatrany ny Filohan’ny FJKM. Efa mitsangana ny SEFAMPA (Sekoly Fampiofanana Mpampianatra) ho an’ny ambaratonga voalohany, mifameno amin’ny IFP (Institut de Formation Pédagogique) ho an’ny ambaratonga faharoa sy fahatelo, ary efa mitsangana ihany koa ny « Ecole Doctorale) eo anivon’ny Oniversite Ravelojaona. Nanamafy ny hampiroboroboana ny Sekoly FJKM noho izany ny Filohany, ary nanentana ny mpino hampianatra ny zanany amin’ireny satria ny tanora no tompon’ny ho avy. Hanorina Sekoly FJKM 111 ny Fiangonana amin’ity, raha ny tanjona. Ara-pinoana, nanamafy ny tokony hiorenana tsara amin'ny finoana ny Filohan’ny FJKM. Tsy ekena ny fanambadian'ny mitovy fananahana, ifikirantsika amin'ny fomba tsy hay toherina ny finnoana trinitera an'Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina. Ijoroana tsy misy marimaritra iraisana ny tsy fampifangaroana ny fivavahana kristiana amin'ny fanompoan-tsampy sy ny fivavahana satanika. I Kristy no anton'ny ahavelomana fa tsy ny vola, tsy ny asa, tsy ny voninahitra, hoy hatrany ny Filohan’ny FJKM, nanipika fa any an-danitra no tanjona. Niantso ny mpino FJKM tsy hiferin’aina amin’ny fanenjehan’ny olona ny Filohan’ny FJKM, ka nampahatsiahy an’ilay hoe : « Misaora izay manozona anareo, fa aza manozona », ka nanamafasiany fa tsy ho menatra ny hijoro vavolombelona amin’ny finoana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT