Finoana

Filohan’ny FJKM Miantso ny vahoaka hivavaka isan’ora


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Manoloana izao areti-mandringana tafiditra eto anivon’ny tanin’ny repoblikan’i Madagasikara izao dia manao antso avo amin’ny vahoaka malagasy rehetra,

 

 

indrindra, ireo mpino Kristianina ny filohan’ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, Irako Andriamahazosoa Ammi, mba hitondra am-bavaka isan’ora ity firenena ity. Ny onjampeon’ny Radio Fahazavana izay raisina eo amin’ny mari-drefy 88.6 izay tantanan’ny FJKM rahateo moa no mitarika izany rojom-bavaka isan’ora izany, hoy ny fanazavany omaly. Hivavaka isika, hoy ny filohan’ny FJKM, mba hamindra fo amin’izao firenena izao Andriamanitra ka tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny firenena io areti-mandripaka io. Efa nanomboka omaly maraina tamin’ny 6 ora moa izay rojom-bavaka izay, raha ny fampitam-baovao hatrany.Marihina fa nampiato ny fanompoam-pivavahana any am-piangonana sy ny karazana fivoriana fanao mahazatra ny FJKM ho faajana ilay 15 andro fihibohana napetaky ny fanjakana ; mamporisika hatrany ny mpino kosa anefa mba hivavaka tsy tapaka isan-tokantrano noho ny finoana sy fanantenana fa Andriamanitra no tena vahaolana mahomby indrindra amin’ny olana miantraika amin’ny fiainan’olombelona.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT