Finoana

Filohan’ny FJKM Miantso ny rehetra hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra


  • Zoma 20 Martsa 2020

Mitombo hatrany ireo olona mamoy ny ainy vokatry ny areti-mandoza Coronavirus maneran-tany, antony mampikorontana izao tontolo izao.

 

 

 Mbola tsy nahenoana tranga anefa teto Madagasikara noho ny famindram-pon’Andriamanitra antony nanaovan’ny filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi  antso avo omaly. Mangataka amin’ny fiangonana rehetra izy mba hanokana fotoana hivavahana ao anatin’ny fotoam-pivavahana isaky  alahady na ny andavan’andro, hisaorana an’Andriamanitra sy hibebahana. Tafiditra ao anatin’io vavaka io  ny hiarovan’Andriamanitra hatrany ny firenena sy ireo havana miparitaka maneran-tany miaina ao anatin’ny tebiteby. Entina am-bavaka ihany koa ireo tompon’andraikitra eran-tany mba hotoloran’Andriamanitra saina ny amin’izay tokony hataony ho fisorohana ny aretina sy hahitany vahaolana, indrindra fa ireo mpitsabo manam-pahaizana. Tsy tokony hohadinoana hoy izy ireo mpiasan’ny fahasalamana izay mifanerasera mivantana amin’ireo  marary. Tahiriny  hitalaho famindram-po ho an’izao tontolo izao ny fiangonana rehetra ary mitondra am-bavaka ny vahoaka tsy vaky volo mba hanaraka am-pahendrena ny toromarika rehetra omena azy. Nomarihiny manokana moa  fa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny karemy isika  izao ka tokony samy tokony handini-tena sy hibebaka ny rehetra. Ny tenin’Andriamanitra voasoratra ao amin’ny Amosa toko 4 andininy fahafolo no namehezany izany. Nampahery ny rehetra izy taorian’izany  fa mbola Tompon’ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany ihany Jesoa Kristy ka tsy ny aretina na ny herim-pahafatesana akory no tompon’ny teny farany fa Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty no sady efa nitondra ny rofintsika.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT