Filohan’ny FJKM

«Mety hisy tsio-drivotra eny an-dalana, efa ampoizina izany ! »


  • Zoma 22 Aogositra 2025

Aim-baovao ho an’ny Fiangonana FJKM ny nahazoana Filoha vaovao

hitantana mandritra ny 4 taona. « Isaorana an’Andriamanitra, fa tena nilamina sy tena naneho ny fahasoavanan’Andriamanitra nandraisan’ny fiangonana sy ny synaodam-paritany ny fandaminana samihafa,... Kely ilay fiangonana, kely ilay synaodam-paritany nefa mihoatra ny vitan’ny lehibe, ka izay ny fihetseham-po tena tsara sy tsaroana indrindra », hoy ny Filoha vaovaon’ny FJKM Andriamampianina Zaka Mpitandrina. Manoloana ny ambana samihafa eny an-dàlana mandritra ny fitantanana dia naneho tamim-pahatsorana ny Filoha vaovaon’ny FJKM Andriamampianina Zaka hoe : « Rehefa mandray andraikitra ohatr’izay, rehefa mihazakazaka dia mety ho tsofin’ny rivotra, misy rivotra kely eny an-dalana eny, efa ampoizina izany ! Ny fifaliana anefa dia manana mpiara-miasa maro, manana fiangonana izay mivavaka ho anao, ka manantena fa hanampy izy. ». Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana hoe : asa efa mety tafiditra anatin’ireo tsio-drivotra ambaran’ity Mpitandrina ity ve ireo fanaratsiana sy fanenjehana samihafa mandeha atao aminy nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana izay nahalany soa aman-tsara azy hitantana ny FJKM. Ny tenany izay tena nanaovana fanenjehana maro, nanaovana fanambarana politika, noharatsiana mafy,… taorian’ilay toriteny teny amin’ny Coliseum ny janoary 2025, izay namotsipotsirany fa fantiantoka lehibe ho an’ny Firenena ny fananana mpitondra andevon-karena, andevon’ny vola, lany amin’ny halabato, ka tokony hoesorina aloha ny omby mitondraka. Misy vondron’olona tsy faly amin’ny fahalanian’ny Filohan’ny FJKM vaovao ve ka mandeha ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka samihafa ka hampidirina hatramin’ny resaka antoko politika ? Mpaminany anefa ny Fiangonana, ary namafisin’ny FJKM io nandritra ny synaoda lehibe farany teo. Mitory ny fiombanana, ny fihavanana, fa indrindra ny fahamarinana, ka heverina fa adidiny ny manaitra manoloana ny tsy mety sy miantso ny rehetra hiditra ao am-balan’ny fahamarinana na olom-pirenena tsotra, na mpanao politika, na mpitondra, na mpanohitra,…

EZAHANA NY FANETREN-TENA SY FIARAHA-MIASA AMIN’NY REHETRA
Tamim-panetren-tena tanteraka no nilazan’ny Filohan’ny FJKM vaovao hoe : « Tsy afaka hiteny mihitsy aho hoe : satria aho efa manana « expérience » satria taom-piasana fahatelo amin’ny maha birao foibe : tamin’ny voalohany aho mpanolotsaina, tamin’ny faharoa aho Filoha mpanampy, dia izao aho Filoha, fa tsy afaka miteny mihitsy hoe manana « expérience » fa ezahana ny fanetren-tena sy fahafahana miara-miasa amin’ny olona rehetra, ary izay no mba tadiavina ! », hoy hatrany ny Filohan’ny FJKM Andriamampianina Zaka Mpitandrina. Nitsodrano ny Filoha vaovao sy ny birao foibe vaovao kosa ny Filoha teo aloha Irako Andriamahazosoa Ammi izay niantsoroka adidy lehibe teo anivon’ny FJKM, ary handeha hisotro ronono. « Misaotra an’Andriamanitra fa vita soa aman-tsara ny synaoda lehibe. Nahazo filoha sy birao mpiandraikitra vaovao ny FJKM, dia mitsodrano azy ireo homban’ny fahasoavan’andriamanitra sy fitarihan’ny fanahy masina ny hahefa be amin’ny asan’ny Tompo », hoy izy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT