Finoana

Filohan’ny FJKM « Hifidy olona matahotra an’Andriamanitra isika »


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Vory marobe teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (Fjkm) omaly, noho ny fanompoam-pivavahana fitondrana am-bavaka ny fiohan’ny Fjkm mivady sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2018 na dia nirotsaka aza ny orana.

 Nanamafy ny fandraisany andraikitra amin’ny fiainam-pirenena sy ny fanohizana ny asam-pinoana goavana amin’ny alalan’ny tetikasa « Vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara » ny Fjkm. Olon’ny finoana, miaina amin’ny finoana ny Fjkm ary mametraka ny tanjona fa mbola firenena Kristianina i Madagasikara amin’ny 2118. Aza menatra hanao politika, hoy ny filohan’ny mpiandraikitra foibe Fjkm, ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Nindraminy hanazavana izany ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’i Estera 8 ; 6 milaza hoe : « ataoko ahoana ny fijery ny loza hanjo ny fireneko ? ». Taom-pifidianana ny 2018 ary manentana ny zanaky ny Fjkm handray anjara mavitrika ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi. Tsy maintsy olona matahotra an’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina no fidiana hanavotra ny firenentsika, hoy izy. Ireo mahatsiaro tena fa manana fanomezam-pahasoavana, aoka tsy hisalasala hirotsaka hofidiana, hoy izy.

Hiady amin’ireo faharatsiana rehetra

Nitarika ny fotoana omaly Atoa Zarazaka Jean Louis, mpitandrina ary filoha mpanampy ao amin’ny birao foibe. Nitoriteny kosa i Andriamampianina Zaka Hary Masy, mpitandrina izay nisarika ny sain’ny mpino ny amin’ny zava-misy iainana ankehitriny sy ny tokony hatao manoloana izany.Voaresaka ireo fomba fanao, fomba fisainana sokajian’ny Fiangonana ho fandikana ny sitrapon’Andriamanitra tahaka ny fiarahan’ny mitovy fananahana (homosexualité), ny fanaovana kolikoly, ny fivavahana amin’ny razana (Razanisme) izay mbola ataon’ny 52%-n’ny Malagasy. Tsy maintsy mijoro ary miteny ny tsy mety ary miady amin’ny Fjkm na iza na iza manao izany, hoy ny mpitandrina Andriamampianina Zaka. Mampanontany tena ihany koa , hoy izy hoe ny 4%-n’ny olona eto ambonin’ny tany monja no « Homosexuel » kanefa nahoana no matanjaka izy ireo ary lany amina firenena maro, eny tonga hatrany am-piangonana ny lalàna manaiky ny fiarahan’izy ireo ? Ny Malagasy tena mbola mifikitra amin’ny razana, mandany vola aman-karena amin’ny famadihana. Misy zavatra tsy maintsy dinihana ny amin’izany, hoy izy. Fantatra nandritra ny fotoana omaly fa hikarakara Synodam-pinoana lehibe amin’ny volana mey ny Fjkm handinihana ny amin’ny fiarahan’ny olona mitovy fananahana (Homosexualité) sy ny Franc Maçonnerie izay tsapa ho manomboka mametraka ny olony eto Madagasikara tato ho ato izay. Nanatrika ny fotoana teny Mahamasina omaly ny delegasionina mafonja avy amin’ny fitondram-panjakana notarihan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, ny praiminisitra sy ny filohan’ny antenimierandoholona ary minisitra maromaro. Nanentana ny rehetra hifanome tanana amin’ny fanorenana ny tsangambaton’ny faha-50 taona eny Ivato sy any Toamasina ihany koa Atoa Marc Ravalomanana, filohan’ny komity fankalazana ny faha-50 taona sy ny faha-200 taona nidiran’ny filazantsara teto Madagasikara.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Mampaneno lakolosy ny FJKM
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Ento amin'ny fahamarinana

  • PASTERA HERITIANA
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

« Andriamanitra no manome

  • Alahadin’ny taraka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

Hijery ny tohiny
FTT