Filohan’ny FJKM

"Fotoana hialana amin’ny fivavahana feno fisehosehoana izao"


  • Talata 10 Jona 2025

Namoaka hafatra manokana ho an’ny Kristiana rehetra manoloana ny Pentekosta 2025

ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), Dr Irako Andriamahazosoa Ammi. Hafatra mifototra amin’ny Galatiana 5:16 no napetrany, ka ny teny fototra dia hoe: “Mandehana araka ny Fanahy Masina”, araka ny nosoratan’i Paoly Apostoly. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny FJKM, ny Pentekosta dia fanatanterahan’i Jesoa Kristy ny teny fikasana izay efa nambaranany talohan'ny niakarany ho any an-danitra. “Nampanantena Jesoa fa haniraka ny Fanahy Masina izy, ary tanterany izany satria mahatoky izy. Tsy tahaka ny olona sasany izay mampanantena lava nefa tsy manatanteraka akory, mampanantena fotsiny,” hoy izy. Nohamafisiny fa nanome ny Fanahy Masina i Jesoa mba ho fanairana sy hery ho an’ny mino. Hery niavaka tokoa no niseho tamin’ny Pentekosta voalohany: rivotra nifofofofo sy lela mitarehin’afo, hoy ny tantara. “Petera izay nanda an’i Jesoa in-telo aza, dia tonga sahy nitory tamim-pirehetana. Hery mahagaga no nomen’ny Fanahy Masina azy. Ho anao koa izany, hoy Jesoa hoe: ‘Hahazo hery ianareo amin’ny ilatsahan’ny Fanahy Masina, ary ho vavolombeloko ianareo’”, hoy hatrany ny hafatra. Namporisihan’ny Filohan’ny FJKM ny rehetra hijoro amin’ny hery avy amin’ny Fanahy Masina eo anatrehan’ny fahalotoam-pitondran-tena manenika ny fiarahamonina, eo anatrehan’ny fahalovana mandifotra ny firenena. “Mitsangàna amin’ny hery haneho fitiavana marina manoloana ny fitiavan-tena, fitiavan-tseza ary fitiavam-pahefana manandevo ny fanahy.” Ankoatra izany, nanamarika ny lanjan’ny fiovam-po amin’izao fotoan-dehibe izao ny Filohan’ny FJKM. “Tamin’ny andron’i Petera, olona 3 000 mahery izay mbola nihiaka ‘homboy, homboy’ an’i Jesoa no niova finoana ka nanaiky azy ho Mesia.” Noho izany, dia nantsoiny ho fotoana tokony hialana amin’ny fivavahana feno fisehosehoana izao, sy hanesorana ny fivavahana ampiasaina ho ankosotra hanafenana ny fanompoan-tsampy sy ny kolikoly miafina. “Mety ho fotoan’ny fiovam-po lalina izao Pentekosta izao, fotoan’ny fiverenana amin’ny finoana marina an’i Jesoa Kristy. Aoka tsy hampiasaina ho fonoka fotsiny ny fivavahana hanohizana ny fampahantrana sy fampatoriana ny vahoaka. Nanentana ny Filohan’ny FJKM hoe: “Mba ho marina amin’ny tenin’i Jesoa Kristy isika ka hanaiky sy hanaraka ny tenin’Andriamanitra manao hoe: ‘Mandehana araka ny Fanahy Masina’.” Koa naniry izy mba ho Pentekosta feno fahamasinana, hery ary fitiavana avy amin’ny Fanahy Masina ho an’ny rehetra ity taona 2025 ity.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • Léon XIV tany Cameroun
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Fitsidihana apetraka ho

  • PASTERA HERITIANA
  • Zoma 03 Aprily 2026

Tsy voatery ho andro Alahady

  • Vondron’ny Fikambanana Masina
  • Alatsinainy 30 Martsa 2026

na VFM « Mitaky ny fombany ny tany, mila

  • Mankalaza ny faha-42
  • Alarobia 25 Martsa 2026

taonany ny fiangonana Shincheonji

  • Pastera Heritiana
  • Alarobia 18 Martsa 2026

« Tokony hahitsy toa ny

Hijery ny tohiny
FTT