Finoana

Filohan’ny FFKM Miantso ny hitsinjarana ara-dalàna ireo fanampiana


  • Talata 28 Aprily 2020

Mbola hitohy amin’ny alahady izao ny fotoam-pivavahana iarahan’ireo filoham-piangonana 4 mivondrona ao amin’ny FFKM ( Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara) ao anatin’izao fihibohana izao.

 

 

 Etsy amin’ny FLM Ambatovinaky indray no hanatanterahan’izy ireo izany izay azo arahina mivantana amin’ny RNM sy TVM manomboka amin’ny 05 ora hariva ho fampaherezana ny mpino rehetra. Tsy adinon’ny filohan’ny FFKM ny pastora dokotera Rakotonirina David nandritra izany ny nanao antso avo amin’ny fanjakana ny amin’ny tokony hitsinjarana ara-drariny ny fanampiana natokana ho an’ireo sahirana eto amintsika. Toraka izany koa ny fampahafantarana ny rehetra ny mangaraharaha amin’ny fitantanana ireo karazana fanampiana azon’i Madagasikara hatramin’izay . Tsy adinony ny niresaka mikasika ilay tambany CVO na COVID organics nandritra izany. Nambarany fa tokony hatao malalaka ny fampahafantarana izany ary tsy terena ny tsirairay. Farany izay tsy kely akory dia nasian’ny pastora dokotera Rakotonirina David resaka ihany koa ny mikasika ny fifandranitana ao anaty tambajotran-tserasera facebook ankehitriny. Tokony zavatra mahasoa no hifampizarana hoy izy ao anatin’izao lalan-tsarotra lalovan’ny firenena izao fa tsy hifandranitra ady.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT