Finoana

Filohan’ny FFKM “Lehilahy lehibe ireo ve dia tsy mahay mifandamina”


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Tsy voatery hiandry ny FFKM ny fampihavanam-pirenena, hoy ny eo anivon’ny FFKM.

 

Tokony hazava ny zavatra hatao amin’ny fampihavanana: ara-politka ve? ara-toekarena ve? Ara-piaraha-monina ve? ara-pivavahana ve? Ataoko fa samy misy tompon’andraikitra ireo. Nahoana moa no tsy mifanatona ny mpanao politika raha fampihavanana ara-politika ity? Lehilahy lehibe ireo nahoana no tsy mahay mifandamina? Inona no hilana ny fiangonana amin’izany? hoy ny Arsevekan’Antananarivo sady Filohan’ny FFKM Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona manoloana ny fifandirana ara-politika misy eto amin’ny firenena. Tontosa omaly tetsy amin’ny EKAR Antanimena ny fiaraha-miombom-bavaka nentina nanamarihana ny faha-40 taonan’ny FFKM. Hanaovana jery todika amin’ny lasa hoe: inona no tsy ampy, ary mba inona ny zavatra nandeha hatsaraina, ary inona no tokony hahitsy. Nisy ihany koa nandritra io fotoana io ny fitondrana am-bavaka ho an’ny firenena. Mbola hifampidinihana ny momba ireo hetsika samihafa ao anatin’ny fankalazana noho ny fisian’ny valanaretina. Isan’ny nanatrika ny fotoana omaly ny olom-panjakana sy ny tompon’andraikitra maro eto amin’ny firenena. Ara-politika, miha mahazo vahana hatrany fifandirana ary voasokajy ho tsy mivaha hatramin’izao ny disadisa eo amin’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana efa 13 taona izay. Ireny tany Soavinandriana omaly ireny ampahany. Heverina fa mety ho izy mirahalahy mianaka ireo no tiana ambara amin’ilay tenin’ny Filohan’ny FFKM hoe: Lehilahy lehibe ireo koa nahoana no tsy mahay mifandamina.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Finoana

  • JALSA SALANA 2026
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Niara-nivavaka ireo Mozolomanina Ahmadiyya

  • Fonja Antanimora
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Voafonja 80 vita batisa

  • HETSIKA MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Fahombiazana tanteraka

  • MANDRESY TOUR
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

2026 TOAMASINA Ho avy ary nahao

  • Pasteur Mailhol
  • Alarobia 26 Aogositra 2026

Mamporisika ny tanora

  • Fiangonana
  • Talata 25 Aogositra 2026

Loteranina malagasy nohavaozina

Hijery ny tohiny
FTT